Seha-pihariana mbola malalaka ary anisan’ny tosika ho an’ny toekarena ny jono. Nozaraina karatra maha mpanjono 70 isa miampy akanjo 21 ny mpanjono avy ao amin’ny CLP Ampasindava, ny zoma teo. Nampahatsiahivina nandritra izay ny fanajana ny lalàn’ny jono, ny fanatanterahana ny fepetra maha mpikambana ary ny fahazoana “carte mareyeur”. Namatsy […]
Auteur/autrice : Adnews
Olan’ny oniversite: mitondra fanazavana ny Profesora Gilbert
Seces tia vola! mampikatso ny fampianarana! Izany no fiampangana ny Seces amin’izao fotoana. Mitondra fanazavana ny mpampianatra mpikaroka, ny Profesora Gilbert, sekretera jeneralin’ny Seces nasionaly nandritra ny “sit-in” nataon’izy ireo ny faran’ny herinandro teo. ‘‘Tsy maharaka ny zavatra tokony hatao ety amin’ny oniversite ny fanjakana. Tsy araky ny tokony ho […]
Iray volan’ny Alzheimer: hetsika maro hampahafantarana ny aretina
Aretin’ny zokiolona efa maherin’ny 60 taona matetika ny Alzheimer. Manomana hetsika maro ny fikambanana Masoandro Mody hampahafantarana ny aretina mandritra ity volana septambra ity. “Tsy diso aloha loatra, tsy mbola tara loatra, alaviro dieny izao”. Io no lohahevitra amin’ny fanamarihana ny iray volana ho an’ireo mararin’ny aretina Alzheimer amin’ity volana […]
Fahasalaman’ny voa Zava-dehibe ny fandaminana ny diabeta sy ny tosidra
Lasa aretina mateti-pitranga ny aretin’ny voa, ankehitriny . Mitondra fanazavana mikasika izany ny Profesora Randriamanantsoa Lova. Mandrindra ny tosidra, manary ny loto anatin’ny vatana ary mamorona ny selamena anaty ra no asan’ny voa. Azo sokajina ho roa ny tsy fanaovan’ny voa ny asany, raha ny fanazavana entin’ny profesora Randriamanantsoa Lova. […]
Indray mijery
Razanoely Manohisoa, hianatra teny sy kolontsaina japoney ao amin’ny Oniversiten’i Hokuriku ao Kanazawa, Ishikawa sy i Rakoroharinaivo Balsama, hianatra teny sy kolontsaina japoney ao amin’ny Oniversiten’i Kyoto University of Foreign Studies. Izy roa ireo no nahazo ny vatsim-pianarana avy amin’ny governemanta japoney . Hotanterahina ny 7 sy 8 septambra izao, […]