Auteur/autrice : Adnews

Baolina kitra: hanala vela amin’i La Réunion i Madagasikara

Andro lehibe ho an’ny tantaran’ny Barea de Madagascar ny andro anio. Hiady ny medaly volamena amin’i La Réunion izy ireo. Hotanterahina anio, eny amin’ny kianjan’ny Ba­rea Mahamasina ny famaranana ny taranja baolina kitra, ho an’ity lalaon’ny Nosy 2023 ity. Hifanandrina amin’izany i Madagasikara sy i La Réunion. Araka ny vaovao […]

Karate : niampy volamena 3 ny azon’ny Malagasy

Niditra tamin’ny andro faharoa omaly, ny fifaninanana karate, tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, ao anatin’ny lalaon’ny Nosy. Tsy nionona tamin’ny vokatra efa azo ny alakamisy teo, ny mpikatroka malagasy fa mbola nahazo fandresena hatrany, nahazo medaly volamena 3 sy volafotsy 1 indray. Teo amin’ny sokajy vehivavy, karateka malagasy 2 no […]

Tsipy kanetibe: nahazo volamena 2 ny Malagasy

Tsara famaranana ny ekipam-pirenena malagasy teo amin’ny taranja tsipy kanetibe. Fifaninanana, notanterahina teny amin’ny kianja Vontovo­rona omaly zoma. Nandrom­baka medaly volamena 2 mantsy ny olon-telo miaraka lahy sy vavy. Teo amin’ny andriambavilanitra, lavon’i Odile sy i Prisca ary i Mamy niampy an’i Tahina teo amin’ny famaranana, ny ekipa kaomorianina, nahitana […]

Mitohy ny fahombiazana : Medaly volamena 109 ho an’i Madagasikara

Tsy mitsanga-menatra ny Malagasy. Laharana voalohany hatrany eo amin’ny fahazoana medaly volamena. Antenaina hitombo izany amin’ireo ambin-dalao mbola hatrehin’ny atleta. Hifarana rahampitso alahady, ny lalaon’ny Nosy, andiany faha-11, tanterahina eto Madagasikara. Medaly volamena 109, volafotsy 61 ary alimo 73 no eo an-tanan’ny atleta malagasy hatramin’izao. Mbola voatazona ny laharana voalohany […]

Is’Art Galérie : mandranty ny kantony i Mahery Rakotomalala.

Nosokafana ny 31 aogositra ary tsy hifarana raha tsy ny 30 septambra 2023 ny fampirantiana, tanterahin’i Mahe­risoa Rakotomalala, eny amin’ny Is’Art Galérie Ampa­sanimalo. « Brulent les masqus » io no lohatenin’ity fampirantiana ity. Am-polony ny asa tanana haseho ao, asa tanana izay manana ny mampiavaka azy. Maro sahady ireo efa tonga nijery […]