Auteur/autrice : Adnews

Lutte libre isan-tarika lahy sy vavy: nifampizarana ny medaly volamena

Nozarain’i Madagasikara sy i La Réunion ary i Maurice, ny medaly volamena teo amin’ny «lutte libre » isan-tarika lahy vavy, teo amin’ny andro farany notanterahina omaly, teny amin’ny kianja mita­fon’Ankorond­rano. Lasan’ny Malagasy avokoa ny teo amin’ny sokajy 74 kg, nahitana an’i Bienvenu, i Jessy sy i Joe ary Mitantsoa, ni­ampy an’i […]

Baolina kitra : hanao famaranana amin’i Madagasikara i La Réunion

Nahazo ny tapakila hiadiana ny medaly volamena ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Resin’izy ireo teo amin’ny manasa-dalana i Comores. Toy ny tamin’ny taona 2007 ihany ny famaranana ny taranja baolina kitra ho an’ity lalaon’ny Nosy ity. Hiverina hifanandrina amin’i La Réunion indray i Madagasika­ra, ny sabotsy 2 septambra ho avy […]

Sombim-baovao

Samy tafakatra amin’ny dingana famaranana avokoa ny sokajy lahy sy vavy, taranja volley, ao anatin’ny lalaon’ny Nosy, andiany faha-11. Seta 3 no ho 2 (27-29/29-27/26-24/25-18/15-11) no nandresen’i Madagasikara an’i Maurice, sokajy vehivavy. Seta 3 no ho 0 kosa no nandavoan’ny ekipa malagasy an’i Seychelles, sokajy lehilahy. Hatao amin’ity zoma ity […]

Atletisma: nanjakan’ny Malagasy ny 400 m, sokajy vehivavy

Niditra tamin’ny andro fahatelo ny taranja atletisma, omaly alakamisy. Fifanina­nana notanterahina tetsy amin’ny kianja Alarobia hatrany. Anisan’ny nisongadina ny zava-bitan’ny Malagasy teo amin’ny 400 m, vehivavy. Nan­jakan’i Madagasikara ny fifaninanana. Malagasy avokoa mantsy no telo voalohany. Vao teo am-piaingana dia efa nitarika tamin’ny hazakazaka i Namahako Cynthia, izay tsy nisy […]