Auteur/autrice : Adnews

Mitarika hatrany: Medaly volamena 92, volafotsy 55 ary alimo 69 ho an’ny Malagasy

Miakatra hatrany ny isan’ny medaly azon’ny atleta malagasy ao anatin’ny lalaon’ny Nosy, andiany faha-11, tanterahina eto Madagasikara. Mbola mitarika eo amin’ny laharana voalohany ny Malagasy. Efa tafakatra 92 ny medaly volamena, 55 ny volafotsy ary 69 ny alimo ho an’i Madagasikara, amin’izao telo andro tsy hifaranan’ny lalaon’ny Nosy izao, ka […]

Seha-pihariana : 60 taona ny Agro Ankatso

Mankalaza ny faha-60 taona nijoroany ny sekoly ambony manofana momba ny fambolena sy ny fiompiana (Agro) eny amin’ny oniversite Ankatso. Misy ny hetsika atao mandritry ny 3 andro ary hifarana anio. Nanamarika izany ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa tamin’ny “Izaha-groupe”. Hametrahana ny “Agri-business academie” eny anivon’ny sekoly. “Fototra iorenan’ny fampandrosoana izany”, hoy […]

Fihaonambem-pirenena : miantso ny FFKM hitarika ny Ceni hanara-dalàna ny MMM

Nambaran’ny filoha nasioa­lin’ity antoko ity, Andrianainari­velo Hajo fa tokony hiverina anatin’ny fanarahan-dalàna sy ny fahamarinana amin’ny fanomanana ny fifidianana ireo Andrimpanjakana sy rafitra samihafa. “Be loatra ny tsy fanarahan-dalàna ary mbola mitohy hatramin’izao ka tokony hojerena izany ahazoana fifidianana madio sy mangaraharaha ary eken’ny rehetra”, hoy izy tamin’ny fihaonambem-pirenena, nokarakarain’ […]

Misaona ny tontolo politika : nodimandry Andrianarivo Tantely

Nodimandry, omaly, teo amin’ny faha-69 taonany, ny Prai­ministra teo aloha, Andrianarivo Gabrio Tantely. Efa nitana andraikitra ambony teto amin’ny firenena ny tenany fony fitondran’ny amiraly Ratsiraka Didier. Teo ny naha praiminisitra lehiben’ny governemanta azy, teo anelanelan’ny taona 1998 hatramin’ny 2002, nianjeran’ny fitondrana sosialista sy ny Arema. Nialoha izany ny naha […]

Fanambarana filatsahan-kofidina : Raobelina Andry, kandidà ho filoham-pirenena

Nanambara ny haha kandidà azy ho filoham-pirenena koa Raobelina Andry, miaraka amin’ny antoko Anjomara rivo-baovao (ARB). Mpilatsaka hofidina faha-15 izany izao izy. Nambarany tamin’izao filankevitra nasionalin’ izy ireo izao fa tsy afaka ny mbola hizaka 5 taona manaraka ao anatin’ny fifandroritana politika, miteraka fihemorana toy izao ny fire­nena. “Tsy maintsy […]