Ambiansy re izao ! fahafinaretana sy hafalina tsy nisy ohatr’izany ny an’ny vahoaka malagasy, omaly, teny Mahamasina. Niady ny lalao baolina kitra teo amin’ny Barean’i Madagasikara sy ny ekipam-pirenen’i Comores. Nafana ara-bakiteny satria tsy nisy ankitsitsitsitsy izany. An-kamely sy kapakapa ranjo no nandravaka ny baolina enina, fitambaran’ny matin’ny ekipa […]
Auteur/autrice : Adnews
Minisitra Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana : “Tsy mitombina ny fampiantsoan’ ny fitsarana ny filoha Rajoelina”
Tokony hifarana eo ! Nanamafy ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana fa tsy mitombina, araka ny efa nanambaran’ny tonia mpampanoa lalàna, ny fampiantsoan’ny fitsarana ny filohan’ny Repoblika. Nampahatsiahy ny lalàna mifehy ny zom-pirenena malagasy ny minisitry ny Fitsarana, omaly, teny Faravohitra, manoloana ny resabe sy ny vaovao diso niely. […]
TSELATRA
Dahalo dimy lahy rotiky ny balan’ny zandary tao amin’ny tanàna iray anatin’ny distrikan’i Sakaraha, ny talata teo. Nangalatra omby 50 izy ireo. Raikitra ny fanarahan-dia. Vokany, lavo ny dimy lahy ary azo sambo-belona ny namany iray. Naiditra am-ponja vonjimaika ilay renim-pianakaviana iray nandoro ny zana-badiny tao Sambava, ny talata 29 […]
Oniversite Fenoarivo Atsinanana : tratra ireo jiolahy namaky ny tranona mpiasa
Nidoboka am-ponja ao amin’ny fonjaben’i Fenoarivo Atsinanana, afakomaly ireo jiolahy roa voarohirohy ho tompon’antoka tamina vaky trano ao amin’ny faritry ny Oniverisite. Voasambotry ny polisy tao Anjoba Fenoarivo Atsinanana, ny 26 aogositra lasa teo, ireto jiolahy ireto. Ny 21 aogositra 2023 hariva tamin’ny 7 ora sy 30 mn, niharan’ny vaky […]
Lozam-pifamoivoizana : mpitondra bisikleta maty voahosin’ny fiara
Maty voafaokan’ny taxi-be iray teny Anosizato Andrefana (manoloana ny tranombarotra lehibe iray), omaly tamin’ny 8 ora sy 20 mn, ny tovolahy iray. Taxi-be iray hiakatra ho any amin’ ny fiantsonana farany any Anosy no nifaoka ity tovolahy ity nandritra ny «sens unique à double voie» na fandehanan’ny fiara roa mitandahatra […]