Auteur/autrice : Adnews
Filoha Rajoelina Andry: Kandidà 8 manakana ny firotsahany hofidiana
Miakatra ny maripana amin’ny tontolo politika. Manao angaredona tsy ahafahan’ny filoha am-perinasa hirotsaka ny kandidà valo. “Tahotra sahady”, hoy ny mpanohana fitondrana. “Tsy afaka mirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena intsony ny filoha ankehitriny. Mazava ny voalazan’ny lalàna momba ny fizakana ny zom-pirenena malagasy”, hoy ny fanambarana nosoniavin’ny kandidà isany: Ravalomanana Marc, […]
MMM teny amin’ny fitsarana: “Tsy tokony hisitraka Certificat de nationalité ny filoha”
Nametraka antontan-taratasy fanairana teny amin’ny fitsarana Anosy, afakomaly, ny antoko Malagasy miara-miainga. Notsiahivin’izy ireo tamin’izany ny didim-panjakana nivoaka tany Frantsa, manamafy fa nangataka zom-pirenena vahiny ny filoha Rajoelina. “Tsy tokony hisy intsony ny Certificat de nationalité, havoakan’ny fitsarana ho an’ny filoha noho ny tsy fizakany intsony ny zom-pirenena malagasy”, hoy […]
“Cellule de crise” – Seces: “Fifidianana kitoatoa io”
Namatrapatratra ny eo anivon’ny “Cellule de crise”, Seces Antananarivo, tamin’ny fanambaran’izy ireo, omaly. “Fifidianana antematemaka, kitoatoa, feno kajikajy ho fampandaniana ny kandidan’ny mpitondra sy fanilihana ny hafa ary manome vahana ny hosoka sy krizy maro samihafa mivantana na ankolaka no hatao”, hoy izy ireo. Natsikafon’ny Seces Tanà fa hampiasa lalàm-pifidianana […]
Annick Ratsiraka: “Roso ka tsy mipody ny firotsahan-kofidina”
“Hatramin’izay nahatany ny tany na tamin’ny zanak’i Adama sy i Eva, misy hatrany ny tsy fitovian-kevitra. Tsy hitovy hevitra izahay, fa samy manana ny fomba fijeriny sy ny fieritreretany izay tokony hatao”. Io ny valin-tenin’ny sekretera nasionalin’ny Arema sady kandidà ho filohan’ny Repoblika, Ratsiraka Annick, teny Mandriamena, afakomaly, momba ny […]