Auteur/autrice : Adnews

Tselatra

Renim-pianakaviana 72 taona hita faty natsingevan’ny rano tao amin’ny fokontany Analaroa, kaominina Soalazaina, distrikan’Ambatondrazaka, afakomaly. Naharay fampandrenesana ny lehibem-pokotany. Nisolifatra tamin’ny sisin-drano ka latsaka ary tsy tafarina intsony ity namoy ny ainy ity, araka ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana sy ny fizahan’ny mpi­tsabo. Resevera iray namoy ny ainy voan’ny bala […]

Avy nijery lalaon’ny Nosy: tovolahy roa indray voaendaka sy voatsatoka antsy

Niharan’ny fanendahan-jiolahy nitondra fitaovam-piadiana teny Ampefiloha akaikin’ny fiantsonan’ny taxi-be ny tovolahy roa, afakomaly hariva. Avy nijery lalaon’ny Nosy, taranja basikety, tao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahama­sina izy roa lahy no nifanehatra tamin’ny jiolahy. Mipetraka eny Ambanilalana Itaosy ireto niharam-boina ireto. Niandry taxi-be ho any Itaosy teo Ma­ha­masina izy ireo saingy […]

Renikely nosamborina : nodorany ny tanan’ny zan-badiny

Mitohy ny fanadihadiana ny renim-pianakaviana iray 35 taona voarohirohy ho nanao herisetra tamin’ny zanaky ny sakaizany. Voasambotry ny polisy ao amin’ny kaomisarian’i Sambava izy afakomaly hariva, rehefa fantatra fa nanao herisetra tamina ankizy tsy ampy taona. Naharay fitarainana tamin’ny mponina ny polisy fa misy ramatoa iray mpitazona toeram-pisakafoana manao herisetra […]

Fakana an-keriny : tovovavy 20 taona, natakalo 900 000 Ar

Nalaina an-keriny ny tovovavy 20 taona, ny sabotsy lasa teo. Nitaky vola tamin’ny finday ny olon-dratsy ka nandoa ny fianakaviana. Votsotra ny takalonaina. Olona efatra voasambotra. Nanolotra vola mitentina 900 000 Ar ny ray aman-drenin’ny tovovavy iray vao navotsitr’ireo olon-dratsy ny zanany vavy tao amin’ny kaominina Alakamisy/ Ambohimaha, distrikan’i La­lan­gina, ny alahady […]