Tontosaina ny alarobia 27 septambra 2023, eny amin’ny Institut française de Madagascar (IFM) Analakely, ny fijerena sy fitsarana ireo horonantsarin’ny mpandray anjara amin’ny Slam Media, ao anatin’ny « Slam nationale 14 » 2023. Sokajy iray natokana ho an’ireo tsy afaka mandray anjara amin’ny fifaninanana nasionaly izy ity. Raketina anaty horonantsary ny fandraisana […]
Auteur/autrice : Adnews
ZDS Ankarafantsika : Kaomandy vaovao ny Jly Narivony José Marcellin
Tontosa omaly, tao Mahajanga ny lanonana ara-miaramila famindram-pibaikoana eo amin’ny Jly Saidi Sylvain Modeste, kaomandin’ny fari-piarovana sy filaminana Ankarafantsika (ZDS) teo aloha sy ny kaomandy vaovao, ny Jly Narivony José Marcellin. Nitarika ny lanonana tany an-toerana ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa sy ny lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika, ny […]
Fandrindrana ny fitaterana : nofanina ireo cadenceur
Nomena fiofanana ireo cadenceur miandraikitra ny fandrindrana ny taxi-be eny amin’ny fiantsonana, tamin’ity herinandro ity. Niandraiketan’ny minisiteran’ny Asa, ny fampananan’asa, ny asam-panjakana sy ny lalàna sosialy, tamin’ny alalan’ny fitaleavana foibe miandraikitra ny fampiroboroboana ny fampananan’asa (DGPE) ny fiofanana. Teo koa ny fivondronan’ireo kaoperativam-pitateram-bahoaka eto an-drenivohitra. Niompana tamin’ny lafiny fitandroana ny […]
Ankonabe Analavory: mandry andriran’antsy amin’ny fibodoana tany ny mponina
Velon-taraina ny mponina ao Ankonabe, Analavory fa bodoin’olon-tokana ny tany mirefy 1 700 ha izay misy fokontany 4 sy ankohonana an’aliny. Nidina nijery ny zava-misy ny filohan’ny vovonana Avotantsika miaraka i Madagasikara (AMM), i Masy Goulamaly, ny faran’ny herinandro teo. Tsy rariny ny fibodoana satria efa tanindrazan’olona nifandimbiasana tamin’ny ray […]
Orinasa manana vehivavy mpiasa mihoatran’ny 25 : Tokony hanana toerana fampinonoana, araka ny lalàna
Miara-miasa ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny minisiteran’ny Asa sy ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy, mampiroborobo ny fahazoan’ny vehivavy mampinono ny zanany any am-piasana. Manohana ny asa ny mpiray ombon’antoka maro. Efa niakatra 54% ny tahan’ny fampinonoana ny zaza amin’ny nonon-dreny tsy misy fangarony mandritra ny enim-bolana voalohany, eto amintsika, […]