Auteur/autrice : Adnews

Fifidianana: tsy hanolotra kandidà ny Fiombonana

Vita omaly, teny Ambatomirahavavy, ny kongresy nasionalin’ny antoko Fiombonana. Mazava ny tapak’izy ireo. “Tsy handrotsaka kandidà ho filoham-pirenena aloha izahay nefa misokatra amin’ny hery rehetra. Anton’izany ny tsy fahafenoan’ ny fepetra miantoka ny fifidianana madio sy eken’ny rehetra, ahafahan’ny vahoaka maneho ny safidiny“, hoy ny sekretera jeneraly, i Durlin Retogniane. […]

AFF- Ravatomanga Haingo: “Miantso ny filoha Rajoelina Andry ho kandidà izahay”

Ranolava ny fiantsoana ny filohan’ny repoblika am-perinasa ho kandidà. Anisan’izany ny Andry sy fototra ho an’ny fampandrosoana (AFF), tarihin-dRavatomanga Haingo. Ho fantatra amin’ity herinandro ity ny ho valin-tenin’ny filoha Rajoelina Andry, manoloana ireo antso samihafa avy amin’ny sehatra isan-karazany tato ho ato. Tsy maintsy mametra-pialana izy ny faha-9 septambra raha […]

Famindrana ny labatoara: tafakatra  30 000Ar ny vidin-kena

Lasibatry ny savorovoro eny anivon’ny labatoara ao Toamasina ny mpivaro-kena sy ny mpanjifa. Nifampitadiavana ny hena rehetra hatramin’ny zoma teo.  Nisahotaka ny tanànan’i Toamasina nanomboka ny zoma teo. Mananosarotra ny fitadiavana ny henan’omby, ny henan-kisoa, ny henan’ondry ary ny henan’osy hatramin’ny akoho, ao an-toerana. Vokatry ny fitokonana nataon’ny mponina tsy […]

Vaovao tambatra

Tapaka matetika ny herinaratra amin’ny faritra maro eto an-drenivohitra sy ny manodidina nandritra ny lalaon’ny Nosy. Nisy ny ezaka nataon’ny orinasa Jirama tamin’ny fampanenana ny fahatapahan-jiro. Ankehitriny samy mametra-panontaniana ny rehetra amin’ny momban’ny famatsiana herinaratra. Misy ny fifanarahana ara-toekarena sy ara-barotra eto amin’ny ranomasimbe Indianina. Fanalalahana sy fifanakalozana ara-barotra amin’ny […]

Ambatolampy-Antehiroka: mpiompy 539 nahazo zanak’akoho 6 000

Ao anatin’ny politikam-panjakana ny fampiroboroboana ny tontolon’ny fiompiana. Nisitraka zanak’akoho hatramin’ny 6 000 isa ny mpiompy 539, mpikambana ao amin’ny “Rise and shine”, ny sabotsy teo, teny Ambatolampy Ambohibao. Mahavelona ny fiompiana akoho ary anisan’ny sakafo mitondra hery sy fahasalamana izany. Manodidina ny 2 700 ireo nahavita fiofanana momba ny […]