Auteur/autrice : Adnews

SOMBIM-BAOVAO

Nanao pao-droa i La Réunion teo amin’ny fandrombahana medaly volamena, taranja handball. Resin’i La Réunion, tamin’ny isa 30 no ho 22 ny Akio, sokajy vehivavy, omaly, teny Vontovorona. Lavon’i La Réunion, 28 no ho 16 koa ny lehilahy. Lasan’ny Ankoay daholo kosa ny volamena teo amin’ny basikety lalaovin’olona dimy. Ratsy […]

Filoha Rajoelina Andry: « Tratra ny tanjona tamin’ity lalaon’ny Nosy ity, voalohany i Madagasikara »

Nifarana tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny lalaon’ny Nosy 2023.  Tsara ny vokatra ho an’i Madagasikara. Hatao any Comores ny andiany faha-12. “ Tratrantsika ny tanjona tamin’ity lalaon’ny Nosy, andiany faha-11, ity, nahazo ny laharana voalohany i Madagasikar.”, hoy ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry Nirina, omaly. […]

Baolina kitra: 30 taona aty aoriana, naverin’ny Barea eto Madagasikara ny volamena

Nofaranan’ny Barea de Madagascar, tao anatin’ny hafaliana ny lalaon’ny Nosy. 30 taona aty aoriana, naverin-dry zalahy eto Madagasikara indray ny medaly volamena eo amin’ity taranja baolina kitra ity. Fony ry Rôrô, mpanazatra ny Barea ankehitriny, no nahazo izany farany ny Malagasy. Ny sabotsy lasa teo, nandritra ny famaranana, natao tetsy […]

Taratry ny kanto

Festival « Temps fort danse ». Mitohy ny hetsika ho an’ny mpankafy dihy an-dalambe sy ny dihy ankehitriny, eny amin’ny IFM Analakely, ao anatin’ny  Festival « Temps fort danse ». Seho iarahana amin’ny vondrona mpandihy maro samihafa no ho hita eny an-toerana mandritra ity herinandro ity. Anisan’izany ny iarahana amin’ny Compagnie Yvan Alexandre. Horonatsarimihetsika […]