Auteur/autrice : Adnews

Fihariana : mbola ambany ny fanjifana ronono

Anisan’ny sakafo mitondra otrikaina maro isan-karazany ny ronono. Mbola ambany anefa ny tahan’ny fanjifana izany eto Madagasikara. “Manodidina ny 16 litatra isan’olona, isan-taona izany, raha 40 litatra isan-taona, isan’ olona ho an’i Afrika ary 200 litatra isan’olona, isan-taona ny any Eoropa”, hoy ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana. Nankalazaina ny […]

Fahatapahan-jiro lavareny : tsy ampy ny tahirin-tsolika mavesatra ao amin’ny Jirama

Miteraka fimenomenonan’ny olona ny delestazy lavareny ataon’ny Jirama. Simba ny asa rehetra mila herinaratra, indrindra ny fidiram-bolan’ny mpanjifa. Ora vitsy anatin’ny an­dro iray sisa no mahazo herinaratra ny mpan­jifa. Tsy nisy kosa ny fahatapahan’ny herinaratra nandritra ny faran’ny herinandro sy ny fetin’ny Pantekoty lasa teo. Ankehitriny, miverina ny delestazy, mihamafy […]

CCSM : mpiofana 36 notolorana maripahaizana

Tontosa omaly, teny Am­pahibe, ny famoahana ireo manamboninahitra mpiofana ho amin’ny fanampim-pandalinana ho fikajiana ny fahasalaman’ireo miaramila (CCSM), andiany fahefatra. Nanotrona izany ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Ramasy Razafindra­tovo Heritiana. Mitontaly 36 mianadahy ireo notolorana maripahaizana . “Voaporofo ary voatazon’ny DCSSM ny andraikitra fanomanana olo­na ho mpitsabo mpiara-miasa […]

Fikaonandoha fampanan’asa : ampiana hitia ny asa safidiany aorian’ny fianarany ireo tanora

Nikarakara hetsika fikaonandoha momba ny asa (Fo­rum de l’orientation et de l’employabilité), andiany fa­hafito, ny fandaharanasa Se­same. Atao eny amin’ny foiben’izy ireo, etsy Ambatoroka izany ka mitohy anio. Tanora maherin’ny 5000 no andrasana hanatrika izany, raha ny fanazavan’ny mpikarakara. Tanjona ny hanampiana ireo tanora hitady sy hisafidy ary hanana traikefa […]

“World Cup 3×3” – Coach Deda: nitaky tanjaka be ny lalao rehetra

Nifarana hatreo ny lalan’ny Ankoay, tao anatin’ny fiadiana ny amboara eran-tany, taranja basikety 3×3, tany Vienne Autriche. Laharana fahefatra i Madagasikara tao amin’ny vondrona nisy azy, rehefa naharesy an’i Frantsa, 21 no ho 20. Mitondra ny fomba fjeriny ny Mpanazatra Randrianarivelo Jean de Dieu (Deda). *Gazety Taratra : Nanao ahoana ny […]