Auteur/autrice : Adnews

Adina ara-panatanjahantena: tsy azon’ny mpanaraka idirana ny foibem-panadinana bakalorea

Efa nanomboka ny fiandohan’ny herinandro teo ny adina ara-panatanjahantena ho an’ny fanadinana bakalorea, eto Antananarivo. Misy ny lamina vaovao, araka ny naoty avy amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony. Naparitaka amin’ny mpi­andraikitra ny foibem-panadinana izany fa tsy azon’olon-kafa ivelan’ny mpiadina sy ny mpikarakara rehetra idirana ny toeram-panadinana manomboka izao. Toy ny taranja […]

Fizaham-pahasalamana: fiarabe 14 ho an’ny tapany avaratra sy andrefan’ny Nosy

Hianandrefana sy hinavaratra ny fiarabe , manao fizaham-pahasalamana maimaimpoana. Tanjona amin’ny tolotra ara-pahasalamana manakaiky vahoaka ny hanome fitsaboana sy fitiliana miaraka amin’ny fanafody tsy hialam-bola ho an’ny distrika 119. Niainga omaly, teny amin’ny kianjan’ny Barea, Mahamasina ny Caravane médicale hi­hazo ny tapany avaratra sy andrefan’ny Nosy. Ma­ha­ritra roa herinandro izany, […]

Nosy Sainte-Marie : hiverina ny “Festival des baleines”

3 taona no tsy nisy ny hetsika. Nampahafantarina oma­ly, tetsy amin’ny campus Telma Andraharo, fa raikitra ny « Festival des baleines » andiany fahenina. Hotontosai­na ny 15 hatramin’ny 23 jolay izao izany, any amin’ny Nosy Sainte Marie. Toa ny mahazatra tamin’ny andiany teo aloha, fampiarahana ny ko­lontsaina, ny fizahantany, ny fanatanjahantena ary […]

60 taona an-tsehatra… : hanome voninahitra an’i Mamy ny tarika MR Razafy

Hiverina an-tsehatra ny tarika MR Razafy. Zava-dehibe loatra ho an’ny mpankafy ny fahenoana izany, indrindra taorian’ny raho-manjombona noho ny nahalasanan’i Mamy, ny volana oktobra 2022. Ho fahatsiarovana azy indrindra, hataon’ny tarika ho fanomezam-boninahitra an’i Mamy ny seho hotontosaina rahampitso alahady 4 jona, etsy amin’ny CCEsca Antanimena, manomboka amin’ny 2 ora […]

Vahaolana mahomby : omena vahana ny ankizy

Jona, volana mampifamatotra ny tantaram-pirenena, ny fitiavan-tanindrazana, ny an­kizy, ny teny malagasy, sns. Fotoana ahafahana manararaotra ny fampiainana sy fampahafantarana ny ankizy ny hasina ananan’ny teny malagasy. Tao anatin’ny taona 15 teo ho eo, nahazo vahana fatratra teto Madagasikara ny fampiasana ny teny vahiny ho teny hoenti-mampianatra. Ve­ry sy takona […]