Nanomboka, omaly, tetsy amin’ny araben’ny Fahaleovantena, Analakely, ny fankalazana ny fiverenan’ny Fahaleovantena. Nitarika izany ny filoha Andry Rajoelina izay nanentana ny vahoaka mba hanangan-tsaina ho mariky ny fitiavan-tanindrazana Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, tamin’ ny alalan’ny fananganan- tsaina, ny fankalazana ny faha-63 taona, niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara sy ny nijoroan’ny Foloalindahy Malagasy. […]
Auteur/autrice : Adnews
Asan-jiolahy : maty voatsatok’antsy ilay tompona moto
Olona efatra notanana am-ponja vonjimaika noho ny famonoana tompona moto iray tao Behenjy, afakomaly. Avy aty an-dRenivohitra, niaraka tamin’ny namany iray hafa ilay lasibatra. Tsy lavitra ny tanànan’i Behenjy, niampy iray ny naman’izy ireo ka niaraka nisotrosotro. Tampoka, niafara tamin’ny tsatok’antsy natao tamin’ilay tompona moto ny fiarahana. Naratra mafy ity […]
Lehilahy nifampitadiavana : hita faty teny amoron-dranomasina
Nokarohina nanomboka ny faran’ny volana mey teo ny raim-pianakaviana iray, tao Ambatomahavelo, kaominina Manambondro, distrikan’i Vangaindrano. Nilomano niaraka tamin’ireo namany izy rehefa nitsangantsangana teo amin’io toerana io, ny alatsinainy 29 mey. Nivoaka ny rano, nilaza hitanin’andro kanefa tsy hita intsony ny nalehany. Samy variana tamin’ny nataony ny manodidina ka tsy […]
Filaminam-bahoaka : 255 ireo jiolahy maty voatifitry ny polisy
An-jatony ireo efa lavo saingy tsy mitsaha-mitombo hatrany ireo jiolahy mpanao ratsy manerana ny Nosy amin’izao fotoana. Nisongadina tao anatin’ny tatitra momba ny asa fanatanterahana ny politika ankapoben’ny fanjakana eo anivon’ ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka, ny taona 2019 – 2023, ny ezaka manoloana ny fandriampahalemana. Ho an’ny polisim-pirenena, ho fanatanterahana ny […]