Vita tamin’ny herinandro lasa teo ny lalao ampahefa-dalan’ny “Playoff OPL 2023”. Efa fantatra fa ireo ekipa efatra tafita avy tao amin’ny kaonferansy avaratra ihany no hiatrika ny lalao manasa-dalana. Anisan’izany ny Fosa, Ajesaia, Cosfa, AS Fanalamanga. Taorian’ny fihintsanan’ ny CFFA Andoharanofotsy teo amin’ny lalao ampahefa-dalana, ny “Playoff OPL 2023”, nanoloana […]
Auteur/autrice : Adnews
Mandritsara : lehilahy tratra teo am-pamakiana trano
Niditra antsokosoko tao an-tranon’olona, tao amin’ ny fokontany Ampitatsimo, kaominina Mandritsara, ny lehilahy iray, omaly tamin’ ny 10 ora maraina. Tratra teo am-pangalarana anefa izy. Nokasainy hamidy ny ordinatera sy ny vatoaratra tao anatin’io trano nidirana mangingina io. Taitra tampoka anefa ny ramatoa iray tompon-trano izay avy niantsena raha nahita […]
Tsiroanomandidy : zaza 11 volana niharan’ny fanolanana
Zazavavy vao 11 volana niharan’ny fanolanana nataona lehilahy iray mpanampy an-trano tao Androtravo Antambao, kaominina ambanivohitra Ambatolampy, ny alakamisy teo. Mpampianatra ao amin’io toerana io ny renin’ilay zaza. Tamin’ny fotoana namorian’ ilay ramatoa reniny ny vary karamany tany amin’ny ray aman-drenin’ny mpianatra no nanararaotan’ilay mpanampy ilay zaza. Rehefa niverina, tsy […]
Isotry : tratra ny jiolahy nifanenjehan’ny polisy
Tsy mety fay mihitsy! Tratran’ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahefatra (CSP4), teny Anatihazo Isotry, omaly, ny ny jiolahy iray malaza ratsy amin’ny sinto-mahery. Maro ny fitarainana voarain’ny polisy amin’ny hafitsok’ireo jiolahy amin’iny faritr’Isotry iny. Nametraka paikady ny polisy, amin’ny alalan’ny fanaraha-maso teny amin’ny manodidina an’Anatihazo Isotry. Teo no […]
Ankizy maditra ao Toamasina…: roa lahy voaheloka higadra telo volana ao Ambalatavoahangy
Niakatra fitsarana ambaratonga voalohany ao Toamasina, ny 16 mey 2023 lasa teo, ny raharaha anenjehana ireo zaza maditra 20 mianadahy nanao herisetra sy hetraketraka ao an-drenivohitry ny faritra Atsinanana. Voaheloka an-tranomaizina telo volana ny roa… Nivoaka ny didim-pitsarana ny 22 mey teo ka afaka noho ny fisalasalana ny 18 mianadahy […]