Auteur/autrice : Adnews

Fampandrosoana mifameno fa tsy mifamono

Efa nasian-teny teto… Tsy mampaninona ny mamerin-teny, tsy mandreraka, tsy mankaleo. Mamerina indroa, manana ny antitra. Tsy inona fa ny amin’ny hoe ho an’ny olona rehetra sy ny olona manontolo ny fampandrosoana. Raha tsy izany, mandringa ihany. Mby amin’ny hoe mankany, mankany… Mankaiza? Mankaiza tokoa izao ny hoe fampandrosoana miainga […]

Hasarotam-piaro… : polisy nanindrona antsy ny rafilahiny

Ny an’ny miaramila mbola tsy vita ny fanadihadiana, manao ny ataony koa ny polisy! Nivoraka mihitsy ny tsinain’ilay rafilahiny vokatry ny tsatok’antsy nataona polisy iray, tao Maroantsetra… Olombelona ihany sa tsy ampy fanadihadiana ara-moraly mialoha ? Naratra mafy ny raim-pianakaviana iray vokatry ny tsatok’antsy nataona polisy iray azy teo amin’ny […]

Toamasina : nidiran’ny jiolahy ny fiaran’ ny ben’ny Tanànan’i Sambava

Tandrevaka sa tena manao fihantsiana ny jiolahy? Ha­tra­min’ny tomponandraiki-panjakana ambony eto amin’ny firenena aza sahin’ny olon-dratsy kitikitihina ny momba azy. Nandritra ny atrikasan’ ireo governoram-paritra sy ny ben’ny Tanàna maromaro, om­aly, tamin’ny 11 ora sy 30 mn atoandro, nisy namaky teo anoloan’ny trano fandraisam-bahiny (kintana efatra) nivorian’izy ireo ny fiara […]

Samba tanteraka… : lehilahy tratra nanolan-jaza

Nampihatra ny filan-dratsiny tamina zazavavy iray vao fito taona! Tra-tehaky ny zandary ny lehilahy iray tompon’ antoka tao Antsirabe, fokontany Antsiradava, distrikan’ An­di­lamena, afakomaly. Na­pe­traky ny reniny tamina olona tsy lavitra azy ireo io zaza io. “Mpanasa lamba io renin’ilay zaza io ka apetrany aman’olona ny zanany rehefa hiasa izy”, […]

Ambohimalaza: telo mianadahy voasaringotra tamina vaky trano

Tra-tehaka tao amina tokantrano iray ny entana halatra, very efa ho efa-bolana lasa, tetsy Ambohimalaza, afakomaly. Renim-pianakaviana iray sy ny vadiny no voasambotry ny zandary. Nisy namaky ny tokantrano iray tao Ambalavato, fokontany Andranonomby Ambohima­laza, ny 13 janoary lasa teo. Tsy vitan’io, mbola nivere­nan’ireo olon-dratsy indray io tokantrano io, ny […]