Auteur/autrice : Adnews

Andro miditra… : lanin’ny voay ny zanany, narapany koa ny reniny

Renim-pianakaviana 49 taona narapaky ny voaibe tao Ampandra, kaominina ambanivohitr’i Andréa, distrikan’i Maintirano, afakomaly tolakandro. Niara-nanjono teo amin’ny reniranobe ao amin’ io fokontany io izy niaraka tamin’ny zafikeliny. Niantsa­pazan’ny voaibe ny tongotr’ilay renim-pianakaviana havia ka nentiny tany anaty rano. Nanavotra azy ilay zafikeliny ka nikapoka ity voay tamin’ny hazo ka […]

Kitra any Espaina : manohana an’i Vinicius ny Fifa

Nanatevin-daharana ireo mpanohana an’i Vinicius, ilay Brezilianina, mpilalao Real Madrid Espaina, i Gianni Infantino, filohan’ny Federa­siona maneran-tanin’ny baolina kitra Fifa. Tsiahivina fa ny alahady lasa teo, nataon’ny vahoaka tao Mestalla ho toy ny rajako ity mpilalaon’ny Real Madrid ity. “Tsy voalohany, na faharoa, na fahatelo. Lasa mahazo vahana ny fanavakavaham-bolonkoditra […]

Tohanan’ny Masoivoho Amerikanina : miaramila 41 nandalina ny fiteny anglisy tao amin’ny MDN

Amin’ny maha Nosy antsika, ilaina ny fifehezana ny teny anglisy, araka ny nambaran’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa, omaly, nandritra ny famoahana ireo mpianatra 41 mianadahy nahavita fiofanana momba ny teny anglisy… Notolorana mari-pahaizana, omaly, ireo mpianatra 41 mianadahy, nahitana sivily sy miaramila, nandalina manokana ny teny anglisy […]

Cisco Tana-Ville : hiditra amin’ny CEPE andrana faharoa ny mpiadina

Manakaiky ny fotoana hanatanterahana ny fanadinam-panjakana CEPE amin’ity taona 2023 ity. Efa eo am-panomanana izany ny ankamaroan’ny sekoly satria efa vita avokoa ny fandaharam-pianarana, raha nanontaniana. Ankoatra izay, vonona ara-tsaina sy ara-batana ary ara-pitaovana avokoa ny ankamaroan’ireo ankizy hiatrika ny fanadinam-panjakana. Nahavita ny fanadinana andrana andiany voalohany avokoa ireo mpiadina […]

Fokontany Antanambao Nosibe : tsy misitraka ny tamberimbidy amin’ny haba

Anisan’ny fokontany be mponina sy mamokatra ny fokontanin’Antanambao No­sibe, anatin’ny kaominina ambanivohitr’ Antetezambaro, disitrikan’ i Toamasina II. Avy ao Toamasina, 25 km manaraka ny lalam-pirenena faharoa izy. Miisa 1560 ny mponina ao aminy, izay mizara amin’ny tanàna 20 ankoatra ireo lazaina hoe Andasy na Ankapa. Tanàna mamokatra Antanambao Nosibe. Saika […]