Auteur/autrice : Adnews

Fanadinam-panjakana CEPE : 515 081 ireo mpiadina manerana ny Nosy

Iray volana latsaka sisa, hiatrika ny fanadinam-panjakana voalohany ny mpianatra ny 20 jona ho avy izao. 515 081 ireo mpiadina fanadinana CEPE manerana ny Nosy ka mpiadina miisa 99 amin’ireo no manana tsy fahatomombanana ara-batana. Eto Antananarivo, manana mpiadina 169 022 izay mitsinjara amin’ny ivontoeram-panadinana 572. Any Fianarantsoa, 95 573 […]

Sokatra 43 very tany Toliara : tsy nampiharina ny Dinabe

Nisy sokatra miisa 43 tratra tany amin’ny tokantranon’olona iray, ny volana avrily teo. Niisa efatra no voarohirohy, araka ny fampitam-baovao navoakan’ny Fitantanam-paritry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Dreed) Atsimo Andrefana. Olona telo indray no voaantson’ny fitsarana, nomena fahafahana vonjimaika ny roa, anisan’ilay nahatrarana ny sokatra tao an-trano, ary iray […]

Harena an-kibon’ny tany : nahitsin’ny loholona ny tamberim-bidy

Lany nasiam-panitsiana teny amin’ny Antenimierandoholona, ny zoma 19 mey teo, ny volavolan-dalàna manavao ny mifehy ny harena an-kibon’ny tany. Miisa dimy ireo andinin-dalàna ireo, ka anisan’izany ny fitsinjarana ny tamberim-bidy. Anisan’ny nahitsin’ny loholona ny andininy faha-31, mikasika ny fanomezan-dalana hitrandraka harena an-kibon’ny tany. Afaka manome fahazoan-dalana ny filankevitry ny minisitra, […]

Imianta : fampandrosoana ny terak’Imady

Niorina ny taona 1991 ny Fikambanan’ny terak’Imady monina eto Antananarivo (Imi­anta). Tanjona ny hiroboroboan’ny mpikambana sy hisian’ny firaisankina ho an’ireo mila ravinahitra sy monina eto an-dRenivohitra. Mano­didina ny 4.000 ny mpikambana amin’izao fotoana izao. Ahitana mpandraharaha ara-toekarena, indrindra ny sehatry ny varotra, ny trano fiantranoana. Misy koa ny manana andraikitra […]

Mampifandray kaominina: vita ny lalana mampitohy an’Ambalatenina sy Ampisokina

Nahavaky lalam-baovao, lalan-tany 22 km mampifandray ny fokontanin’Ambala­tenina avaratra sy ny renivohitry ny kaominina Andoda­be tonga hatrany amin’ny kaominina Ampisokina, distrika Toamasina II ny fitondram-panjakana. Natao izao mba hampifandraisana ny faritra sy hanamorana ny fampandrosoana ary ny fa­moaham-bokatra any an-toerana. Tom­bontsoa ho an’ny mponina ity fotodrafitrasa vaovao ity noho izy […]