Auteur/autrice : Adnews

Hetsika ATDA : nampiseho ny fahaizany ireo start up 12

Sehatra iray nentin’ireo mpandraharaha 12 isa mahazo tosika avy amin’ny NextA ny hetsika fikaonandoha momba ny fanovana sy ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajimirindra eto Afrika « Assises de la Transformation digitale en Afri­que » (ATDA) andiany faha-12, ny zoma sy sabotsy teo, tetsy amin’ny Novotel. Samy nampiseho ny fahaiza-manaony eo amin’ny sehatry […]

Herinaratra : miverina ny fahatapahan-jiro lavareny

Mahery vaika indray ny fahatapahan-jiro eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Maro ireo zavatra simba, mimenomenona ny ankamaroan’ny mponina. Vao iray volana izay, nisedra delestazy na­vaivay ny faritra maro eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Ankehitriny, miverina sahady ny fahatapahan’ny herinaratra lavareny. Velon-taraina tanteraka ny mponina amin’ny afitsoky delestazy. Potika ny fihariana […]

Sandratra Tanambe : “Ôsikalo”, boky sy endri-tononkalo vaovao

Feno 10 taona ny sampan’ny Faribolana Sandratra ao Tanambe, Ambatondrazaka. Anatin’ny fanamarihana iza­ny ireo mpiray faribolana, ka nosantarina tamin’ny famoahana ny “Ôsikalo” izy io, ny faran’ny herinandro teo. Anaran’ny boky, kanefa ihany koa anaran’ny endrin-tononkalo vaovao, vokatry ny fikarohan’i Kelly Randria izy ity. “Tononkalo, elanelanina ôsika kely sady fohy ny […]

Ambohimiandra, Ambohitrimanjaka : hiaka-tsehatra ry Faly, Rakoto, Niravo, Antsaravaka…

Raikitra ny fitetezam-paritra. Hiaka-tsehatra eny amin’ny Ekar Ambohimiandra, distrikan’Ambohitrimanjaka ireo mpilalao tantara an’onjam-peo. Ahitana an-dRakoto, i Faly, i Niravo, i Antsaravaka, ary i Synèse. Hotanterahina ny alahadin’ny Pantekoty izao, manomboka amin’ny 2 ora, eo an-tokotanin’ny fiangonana Md Piera izany. Holalaovin’izy ireo an-tsehatra amin’izany ilay tantara nosoratan’i Ony Mihajanirina, mitondra ny […]