Auteur/autrice : Adnews

Ambohidranomanga : dahalo iray maty lavon’ny zandary

Lavon’ny zandary avy ao amin’ny borigadin’Ambato­mirahavavy ny dahalo iray nandritra ny fifampitifirana tao amin’ny fokontany Ambo­hidranomanga, kaominina Ambatomirahavavy, afakomaly hariva. Nifanehatra ta­min’ireo zandary notarihin’ny CB Ambatomirahavavy ny dahalo telo lahy nitondra omby. Vao nahita ny zandary anefa izy ireo dia nitsoaka avy hatrany sady namoaka basy. Raikitra teo ny fifampitifirana. Vokany, maty […]

Talatamaty : jiolahy 9 mpangalatra moto voasambotra

Ravan’ny mpitandro filaminana ny tambajotran-jiolahy mpangalatra moto tetsy Talatamaty, afakomaly. Efa fikambanan-jiolahy mihitsy ireto saron’ny zandary miasa eny anivon’ny borigadin’i Talata­maty ireto. Jiolahy 9 noraisim-potsiny niaraka tamin’ny moto efatra nangalarin’izy ireo, taorian’ny fanadihadiana lalina. Tompona moto iray nametraka fitoriana teny anivon’ny zandary ao Talatamaty fa very moto. Nividy zavatra teo […]