Nanatanteraka fihaonambe ny fikambanan’ny terak’Androy (Fiteam) tetsy amin’ny ANS Ampefiloha, ny sabotsy teo. “Tanjona ny fanehoana firaisankina”, hoy ny filohany Rakotondrazaka Ladislas Adrien. Tonga namaly ny antso avokoa ireo terak’Androy ao amin’ ny fitondram-panjakana sy ny mpianatra avy any amin’io faritra io mandranto fianarana eto ary ireo mpila ravinahitra eto […]
Auteur/autrice : Adnews
Rallye mathématique faha-19 : 244 ireo mpianatra nifaninana
Nofaranana teny amin’ny Lycée Français Ambatobe, ny sabotsy lasa teo, ny fifaninanana “Rallye mathématique” andiany faha-19. Ekipa valo isaky ny sokajy no niatrika ny dingana famaranana, nandraisan’ ny faritra enina anjara, tamin’ ity taona ity. «Fifaninanana matematika famahana olan’ny fiainana andavanandro ny «Rallye mathématique» ka hizarana ny ankizy mpianatra hiaina […]
Fananahana ara-pahasalaman’ny tanora: tokony havaozina ny fandaharam-pianarana
Nikarakara fifanakalozana niaraka tamin’ny tanora 15 solontenan’ny faritra momba ny fananahana ara-pahasalaman’ny tanora (SRA) ny Coalition droit de disposer de son corps et les droits et santé sexuelle et reproductifs- Forum génération égalité, ny herinandro lasa teo. Nifotoran’ny fifampizarana ny zava-misy momba ny fananahana ara-pahasalaman’ny tanora any amin’ny faritra sy […]
Liva Ramorasata: andrarezin’ny mozika malagasy
Liva Ramorasata, mpahay kanto manana ny maha izy azy eo amin’ny mozika, indrindra ny piano. Mpampianatra ary mpikaroka eo amin’ny sehatry ny mozika ihany koa izy, ankoatr’izay. Efa ampolo taonany maro no nanaovany izany asa izany ary mbola mitohy ankehitriny. Maro ny mpitendry mozika manana ny maha izy azy novokariny. […]
Ludysoa sy Nathan: niara-paly tamin’ny mpankafy azy ny tarika Soa
Fotoana mamy nifampizarana hafaliana sy nihaonana, teo amin’ izy miandahy sy ny mpankafy azy, ny teny amin’ny CCEsca Antanimena. Nahafinaritra tokoa ny seho nomen’izy ireo ny mpankafy ary nahitana kanto maroloko samy nanana ny maha izy azy. Tontosa teny amin’ny CCEsca Antanimena, ny sabotsy 20 mey 2023, ny fampisehoana tokana […]