Auteur/autrice : Adnews

Nirefodrefotra ny basy…: maty voatifitry ny polisy i Tojokely sy i Paul

Lavon’ny balan’ny polisy, nandritra ny fifandonana, omaly, tao an-tanànan’An­tsi­rabe i Tojokely sy i Paul. Jiolahy malaza ratsy amin’ny fanafihana mitam-piadiana ao an-drenivohitry ny faritra Vakinankaratra. Naharay an­tso avy amin’ny lasibatra ny polisin’ny UIR Antsirabe fa misy olona niharana fanendahana niampy vono. Nilaza ho nahita ireo jiolahy tompon’ antoka tamin’izany izy. […]

Nandratra olona : miaramila enina anaovana fanadihadiana

Miatrika fanadihadiana lalina eny amin’ny zandary misahana ny heloka bevava (Secres) Fiadanana, ireo miaramila enina tompon’antoka tamin’ilay fandratrana olona niampy daroka, teny Avara­doha. Enina ihany koa ireo mpitory amin’ity raharaha ity, araka ny fanazavan’ny teo anivon’ny Secres. Efa nitondra fanazavana rahateo koa ny teo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena (MDN) manoloana ny […]

Ampasika : jiolahy nitondra sabatra, nifanenjehan’ny polisy

Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka ! Voasambotry ny polisy, ny alarobia alina teo, teny Ampasika, ny jiolahy iray nitondra sabatra, raindahiny amin’ny fanendahana. Tonga nanatona ny polisy ny vehivavy iray naratra nendahin’ny jiolahy tamin’io fotoana io. Nilaza ity vehivavy ity fa nisy telo lahy nitondra sabatra nanendaka azy. Niroso tamin’ny fanenjehana sy fikarohana […]

Fanendahana mitam-basy : zandary maty voatifitra, very ny 15 tapitrisa Ar

Nirefotra ny basy tetsy Ankasina, lavon’ny olon-dratsy ny zandary iray. Voaroba ny vola an-tapitrisany, ny alakamisy hariva teo. Maty voatifitry ny jiolahy ny zandary iray tetsy Ankasina 67 Ha, afakomaly hariva. Avy nanidy Cash-point, nitondra ny vola tamin’ny sakaosy izy sy ny mpanampiny iray. Nandrasan’ireo jiolahy telo lahy kendry tohana. […]