Auteur/autrice : Adnews

Cinem’alliance : nizara ny fahaiza-manaony Andrianambonisoa Yannick

Tombony ho an’ny rehetra ny hetsika fifampizarana sahala amin’izao, araka ny nambaran’i Yannick Andriambonisoa. “Ilaina hatrany ny mivelatra amin’ny manodidina mba hahazoana traikefa sy fahaiza-manao vaovao”, hoy ity tanora malagasy mpanatontosa ity. Nitafa sy nizara traikefa sy fahaiza-manao ta­min’ny tanora maro, niatrika ny atrikasa “Firafitry ny sary” Andrianambonisoa Yannick, omaly. […]

SEHA-PIHARIANA trondro : mampiroborobo ny fidiram-bola

Manana ho avy mamiratra ny fihariana anaty rano. Sahirana ny lafiny jono noho ny fiovan’ny toetr’andro sy ny fanjonoana miompampana, hoy ny FAO. “Antony mahatonga antsika mirona amin’ny fiompiana trondro. Natao izany mba hahafahantsika mamorona asa sy mampiakatra ny fampidiram-bola isan-tokantrano”, hoy ny fanazavan’ny minisitry ny Jono sy ny toekarena […]

Ladoany : eto amintsika ny SG an’ny OMD

Tonga eto Madagasikara, ny talata 5 mey teo, i Kunio Mikuriya, sekretera jeneraly (SG) ny Fikambanana iraisam-pirenena misahana ny haban-tseranana (OMD). Mi­fanandrify amin’izao fahatongavany izao ny fikaonandoha iraisam-pirenena mikasika ny ladoany, andiany faha-37 ny 8-10 mey izao, ny fivorian’ny filankevitry ny governora ny 11-13 mey, samy atao eto Antananarivo avokoa. […]

CCIFM-ADIM : hamafisina ny fifanakalozana ara-barotra

Hanatsara ny lafiny toekarena sy ny fiainan’ny mponina andavanandro atsy amin’ny Nosy Mayotte sy eto Madagasikara. Ireo ny napetraka amin’ny fiaraha-miasan’ny Chambre de commerce et de l’industrie France Madagascar (CCIFM) sy ny Agence de développement et d’innovation de Mayotte (ADIM). Natao, omaly, teny Androhibe ny fanaovan-tsonia ny fiaraha-miasan’ny roa tonta. Tanjona […]

OCP Maroc-Fofifa : « Fambolen-kazo eny ifotony »

Mitohy ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy Maraoka, amin’ny alalan’ny Fondation OCP Maroc sy ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) amin’ny alalan’ny Fofifa sy ny CAFPA Antsirabe. Misy ny tetikasa vaovao, « Fambolen-kazo eny ifotony », iarahan’ny roa tonta, natomboka ny 9 mey teo, mahakasika faritra telo (Vakinankaratra, Alaotra Mangoro, Diana). Tanjona ny […]