Tontosa ny sabotsy 13 mey 2023, teny amin’ny Aro Antsahavola, ny lanonana nokarakarain’ny fikambanana Sehatra Bagasy. Tafatsangana tamin’ny fomba ofisialy, nandritra izany, ary ny “Redombe Ba Gasy”, fikambanana ivondronan’ny mpanao bagasy tsy ankanavaka. Fananganana ny “Redombe Ba Gasy” sy fianarana hira ary fifampizarana sy seho an-tsehatra no nameno ny fandaharam-potoana […]
Auteur/autrice : Adnews
Fandriampahalemana : vonona i Madagasikara
Nandray fitenenana manoloana ireo solontenam-pirenena manatrika ny fihaonambe fahenina ho an’ireo firenena aty amin’ny ranomasimbe Indianina, mivory ao Dakha renivohitr’i Bengladesh, ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotoarijaona Josoa, afakomaly. Naneho ny fahavononany i Madagasikara amin’ny fiaraha-miombon’antoka amin’ny fandriampahalemana sy ny fahombiazana ho amin’ny ho avy mafy orina amin’ireo […]
Tetikasa “Anjara”-METFP: hanampy ny tanora tsy manana asa
Hitondra vahaolana ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana, manoloana ny olan’ny tanora. Anisan’izany ny fandaharanasa « Anjara », hitondra ny traikefany amin’ny fanofanana. Nambaran’ny minisitry ny Fampianarana tekinika sy ny fanofanana arakasa (METFP), Raharinirina Gabriella fa maro ireo tanora sahirana eo amin’ny fidirana amin’ny tsenan’ny asa na nahavita […]
CSS Avaradoha: nahazo fiahiana ireo sahirana
Mahatratra 284.225 ireo sahirana ara-pivelomana notsaboina maimaimpoana teny amin’ny Centre de soin et de santé (CSS) Avaradoha nandritra ny 30 taona, raha ny tatitra voaray omaly. “Tsy misitraka fitsaboana ara-dalàna ny ankamaroan’ny vahoaka malagasy noho ny fahasahiranana mahazo azy”, hoy ny Dr Randrianalison Andrianomentsoa. Ny fahatsapana izany no antony nahatonga […]
Fahasalamana : tsy misy antony mazava ny 95%-n’ny tosidra avo
Nitondra fanazavana ny dokotera Ramiandrisoa Lahatriniavo Ritchy, tamin’ ny fandaharana manokan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka mikasika ny fihenjanan’ny lalandra na ny fiakaran’ny tosidra araka ny mahazatra ny maro. Anisan’ny mahafaty olona maro rehefa tonga amin’ ny fahasarotana ny fihenjanan’ny lalandra. Mizara roa ny tosidra, ambony (tension arterielle systolique) mihoatra ny 140mmHg sy […]