Auteur/autrice : Adnews

40 taonan’ny ENI: hanangana laboratoara niomerika

Feno 40 taona ny Seko­lim-pirenena ho an’ny informatika (ENI) any Fiana­rantsoa. Lohahevitra noraisina ny hoe «Sekoly mahay mamorona, taninketsan’ireo sangany amin’ny informatika». Ho­so­kafana amin’ny fomba ofisialy ny 24 mey 2023 ny fankalazana, mitohy mandritra ny telo andro amin’ny jolay ary ho faranana amin’ny de­sambra. Maro ny hetsika hatao, manodidina ny […]

Harena an-kibon’ny tany: birao tokana ho an’ny volamena

Nitondra fanazavana, omaly, ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Rakotomalala Herindrainy. Noresahany ny hananganana ny birao tokana ho an’ny fanondranana volamena any ivelany. Eo koa ny lalàna vaovao mifehy ny harena an-kibon’ny tany. Maromaro ny fiovana eo amin’ny tontolon’ny harena an-kibon’ny tany, manomboka izao. Hatsangana ny birao tokana ho an’ny […]

Ho valin’ny fangatahana…: hosokafana ho an’ny mpanao hatsikana ny Ivokolo

Tontosa ny faran’ny herinandro teo ilay fampisehoana nataon’ireo tanora mpanao hatsikana, tetsy amin’ny Ivo­kolo Analakely. Mbola tafiditra tanatin’ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny hehy ihany izany, izay nandraisan’ireo mpanao hatsikana ampolony anjara. Tsikaritra fa tsy ampy ny toerana sy ny fotoana hanehoan’ireo mpanakanto vao misondrotra eo amin’ny hatsikana ny […]

« Slam Poèsie »: hiaka-tsehatra anio amin’ny amboara eran-tany i Hichim

Mandritra ity andro faharoan’ny fifaninanana fiadina ny amboara eran-tany eo amin’ny “Slam poèsie” ity, hiaka-tsehatra ny solontena malagasy. Efa any an-toerana ary efa vonona tanteraka ny delegasionina hiatrika izany. Anio amin’ny 8 ora sy 30 minitra, ora eto Ma­dagasikara no hia­ka-tsehatra voalohany, amin’ny fifaninanana fiadiana ny amboara eran-tany eo amin’ny […]

Filohan’ny Ceni: “Hisy ny fifidianana…”

“Teneninay eto: tsy main­tsy hisy ny fifidianana filo­han’ny Repoblika amin’ity taona ity”, hoy ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène Retaf, tany Antsirabe, faritra Vakinankaratra, ny faran’ny herinandro teo. Diso ny fitenenana hoe efa tafiditra ao anatin’ny lisi-pifidianana teo aloha ny tena, ka tsy mila miditra intsony ao anatin’ny lisitry ny […]