“Tsy adihevitra amin’ny Tim intsony ny hoe hanao fitondrana Tetezamita. Aleo hiroso ny fifidianana. Eo ny vahoaka malagasy hitsara izay olona heverina fa tokony hitantana ny tany sy ny fanjakana”, hoy ny depiote Tim, Antananarivo Atsimondrano, Ratsimbazafy Alain. Tsy mankasitraka ny fisiana fitondrana Tetezamita ry zareo. Hamafisina fa hoe fanjakana […]
Auteur/autrice : Adnews
Bodisma, Shi Wule: “Ahina ny hoavintsika…”
“Ahina ny hoavin’ny zanak’olombelona sy ny tontolo iainana na eo aza ny tosika lehibe ataonay ho fampandrosoana ny fiainana mba ialana amin’ny fahantran’ny saina”, hoy ny tompon’ny “Méditation” ho an’ny bodisma, taranaka faha-45, ny mpaminany Shi Wule. Nanteriny fa efa nampitany koa ny fahendrena sy ny fahalalana ho fiarovana ny […]
Pasitera Andriamahazosoa Ammi Irako: “Adidin’ny fiangonana ny fitiavan-tanindrazana”
Nanafatrafatra ny zanany manana andraikitra eo anivon’ny fiarahamonina sy ny firenena ny eo anivon’ny FJKM, tany Ambositra. Nasongadin’ny filohany tamin’izany ny momba ny hiatrehana ny fifidianana. “Adidy aman’andraikitry ny fiangonana sy ny kristianina izay maneho ny finoany sy ny fiombonany ny fitiavan-tanindrazana, maniraka ny fiangonana sy ny kristianian handray andraikitra […]
Fizotry ny fiainam-pirenena : manahy krizy marolafy ny UNDD
Nivoaka ny fahanginany ary nanao fanambarana ny eo anivon’ny antoko UNDD, ny 13 mey teo. Nampaneno lakolosy izy ireo manoloana izao raharaham-pirenena izao. Nambaran’ny birao politikan’ny antoko tamin’ny fanambarana, nosoniavin’ny filoha nasionaly vonjimaika, Manoro Regis, fa mandalo kihon-dalana sarotra eo am-baravaran’ny krizy marolafy mivaivay ny firenena. Notanisain’izy ireo ho anton’izany […]
Aleo misoroka e !
Manomboka amin’ny fomba ofisialy ny fanentanana ara-pahasalamana hoenti-miady amin’ny fihanaky ny aretina lefakozatra, eto Madagasikara. Hetsika tsy maintsy tanterahina, noho ny fiverenan’ity areti-mandoza ity. Niarahan’ny rehetra nahita, efa foana teto Madagasikara nandritra ny fotoana maharitra izany. Ankehitriny, mampihoron-koditra ny fisehoany sy ny mety ho taham-pahavoazan’ny zaza malagasy. Tsy azo atao […]