Auteur/autrice : Adnews

Ambohitrimanjaka : jiolahy roa nitam-basy nandroba moto

Miova indray ny fanaon’ireo mpangalatra! Nirefotra indroa ny basy, jiolahy roa nitam-piadiana nangalatra moto teny am-pandehanana tetsy Ambohitrimanjaka, omaly tamin’ny 10 ora sy sasany maraina. Tsy nanampo na inona na inona ny tompony! Moto “scooter” marika Racing King, anisan’ireo hiaka farany, norobain’ny jiolahy roa lahy nitondra basy, tetsy Ambohitrimanjaka, oma­ly […]

Tselatra

Nahatratra 132 ireo olona voasambotra tamin’ny fanaovana trafikana zava-mahadomelina mahery vaika (tao ireo mpivarotra sy mpifoka, ankoatra ireo mitsindrona) nandritra ny volana avrily 2023 teo. 219 875 g ireo rongony tratra raha 849,6 g ny héroine ary 2 300 g ny crystal Méthamphétamine. Manoloana izany, nisy ny fanentanana nataon’ny polisy misahana ny […]

Betioky Atsimo : naiditra am-ponja ireo dahalo nangalatra zaza varira

Naiditra am-ponja vonjimaika ao Toliara, ny zoma teo, rehefa avy natolotra ny fampanoavana ireo dahalo anisan’ireo tompon’antoka ta­min’ny raharaha fakana an-keriny zaza varira tao Betioky Atsimo. Nangalarin’ireo da­ha­lo niaraka tamin’ny omby ity zaza varira ity ka nandritra ny fanarahan-dia nataon’ny zandary nampian’ny fokonolona tao an-toerana no nahatrarana azy telo lahy […]

Fanararaotana ara-nofo : roa lahy voasaringotra ho nanolana zaza mirahalahy

Niakatra fampanoavana, omaly, ireo roa lahy voasaringotra tamin’ny raharaha fanolanana zazalahy iray 8 taona sy ny zokiny lahy 11 taona, tetsy Analakely. Tsy mahatana ny malotony intsony, tsikaritry ny olon-tsotra iray sendra nandalo ny fahavoazan’io zazalahy 8 taona io. “Efa iray volana lasa no niharan’ny herisetra izy mirahalahy ireo”, hoy […]

Ankady Tanjombato: lehilahy tratra nifoka rongony

Saron’ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria foibe Tanjombato, tao amin’ny fari-piadidiany ny lehilahy iray teo am-pidorohana zava-mahadomelina, omaly, tao Ankady Tanjombato. Toy ny fanao, manao fisafoana sy fanaraha-maso hatrany eny amin’iny faritra iny ny polisy. Nisy paikady napetraka tamin’ny fametrahana polisy manao fanamiana sivily hanara-maso ireo olona mampiahiahy. Nandritra izany […]