Auteur/autrice : Adnews

Fivezivezen’ny sarety: misy toerana tsy azo aleha, handrindrana ny fifamoivoizana

Voararan’ny lalàna mihitsy ! Tsy azon’ny sarety ivezivezena ny ampahan-dalana sasantsasany eto Antananarivo. Mila hajaina izany handrindrana ny fifamoivoizana. Nampahatsiahy ny kaominina Antana­narivo Renivohitra mahakasika ny fitsipika mifehy ny fivezivezen’ny sarety eto amin’ny faritra Antananarivo. Voafa­ritry ny didim-pitondrana laharana faha 1913-MID/ PREF.POL, tamin’ny 31 mey 2019, fa voarara ny fifamoivoizan’ny sarety amin’ny ora rehetra amin’ireo […]

Fifidiananana : « Feno fanaratsiana ny fampielezan-kevitra »

Nifarana ny sabotsy, teny amin’ny Ivontoerana Arrupe, Faravohitra ny fanamarihana ny telo andron’ny sosialy, no­karakarain’ny sampam-pa­monjena sosialy sy ekolojika. Andro naompana tamin’ny lohahevitra :” fifidianana, fandriampahalemana sy filaminana eto Madagasikara”. Fampielezan-kevitra feno fanaratsiana, fankahalana, herisetra no zava-misy eto amintsika, raha ny fandinihana nataon’izy ireo sy antony nisafidianana ny lohahevitra. Tokony […]

MMM tany Mahajanga : “Miketrika hijanona eo amin’ny fitondrana ny mpitondra”

Nitohy tany Mahajanga indray ny famelabelaran-kevitra sy fihainoana ny vahoaka tanterahin’ny antoko MMM ny sabotsy. Anisan’ny noresahin’izy ireo ny fiainam-pirenena. “Mitady ny fomba rehetra hifikirana eo amin’ny toerana sy hanalavana ny fahefany ny mpitondra”, hoy ny filoha nasionaly, Andria­nainarivelo Hajo. Nanteriny fa tena nihemotra isika. Miha mahantra, araka ny antontanisa […]

Lalaon’ny Nosy (jioi 2023)

Raha tsy misy ny fiovana, ho tonga anio, eto Madaga­sikara, ireo delegasiona avy amin’ny Vaomiera iraisam-pirenen’ny lalao (CIJ), mi­sahana ny lalaon’ny Nosy andiany faha-11. Hijery ny fandrosoan’ny fanamboarana ireo fotodrafitrasa sy ny pitsopitsony teknika samihafa izy ireo, mandritra ny fitsidihana. Andrasana ny fankatoavana na tsia ny mety hahazoan’i Madagasikara mampiantrano […]

Rallye Motul: nanjakan’ny klioba ASACM ny fifaninanana

Nifarana omaly alahady, tetsy Ankorondrano ny Rallye Motul, nokarakarain’ny FMMSAM. Din­ga­na voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena. Nanjakan’ny klioba ASACM sy ny fiara Subaru ny fifaninanana satria izy ireo avokoa no telo tonga voalohany. Nandrombaka ny fandresena, i Frederic sy i Mick, nahavita ny hazakazaka tao anatin’ny 1 ora 20 mn […]