Niady tanteraka ny fihaonan’ny Ajesaia Bongolava sy ny CFFA Andoharanofotsy. Nisaraka ady sahala, 2 no ho 2, ny roa tonta tamin’ity lalao ampahefa-dalana mandroso, fifaninana «Playoff Orange Pro League (Opl) 2023», ity. Fifanandrinana notanterahina ny sabotsy lasa teo, teny Ambohidratrimo. Nanokatra ny isa voalohany ny Ajesaia, tamin’ny alalan’i Feno, ny minitra faha […]
Auteur/autrice : Adnews
Basikety-Fanomanana “World Cup 3×3”: hanao ny ezaka rehetra ny Ankoay lehilahy
Hijanona ao Serbie, mandritra ny 15 andro, hanaraka fiofanana sy hanao fanazarantena, ny Ankoay sokajy lehilahy. Nanome toky ny hanao ny ezaka rehetra ireo mpilalao 4 mirahalahy (Livio, Elly, Fiary, Arnol) miaraka amin’ny mpanazatra azy ireo, Randrianarivelo Jean de Dieu (Deda), mandritra ny fotoam-panomanana. Tsapan’ireo mpilalao rahateo fa miandrandra vokatra tsara avy aminy ny Malagasy […]
Baolina kitra- « Coupe Regionales u19 »: norombahan’ny ekipan’Itasy ny 20 tapitrisa Ar
Nifarana omaly, teny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus By-pass, ny fifaninanam-pirenena amboara rezionaly U19, taranja baolina kitra. Norombahan’ny ligin’Itasy ny amboara sy ny lelavola 20 tapitrisa ariary, rehefa nampiondrika an’i Toliara tamin’ny isa 4 no ho 0. Azon’ny ekipa voafantin’Itasy ny fifaninanam-pirenena amboara rezionaly sy ny lelavola 20 tapitrisa ariary, taranja […]
Horonantsarimihetsika : tafaverina ny « Malok’ila »
Tontosa tamin’ny fomba ofisialy, ny sabotsy 13 mey 2023, teny amin’ny Mining Business Ivato, ny famoahana amin’ny fomba ofisialy ny horonantsarimihetsika “Malok’ila Le Grand Retour». Hanomboka amin’izay, araka izany, ny fandefasana ity horonantsarimihetsika malaza ity manerana ny Nosy. «Teo amin’ny manodidina ny enim-bolana teo no nikaondoha nanao azy ny rehetra […]
25 taona nisiana… : nahatana ny mpankafy ny tarika Tempo Gaigy
Manodidina ny 40 taona eo ho eo ny salan-taonan’ireo mpijery. Porofo izany fa efa mpankafy ny tarika Tempo Gaigy tany am-boalohany ireto tonga nameno an’Antsahamanitra, omaly. Azo lazaina fa nahatana ny mpankafy tany am-boalohany ny tarika Tempo Gaigy na dia nisy fotoana elaela aza tsy nahitana azy an-tsehatra. Tsy nisy […]