Auteur/autrice : Adnews

Filoha teo aloha, Rajaonarimampianina Hery: “Tsy misisika hanao tetezamita ny antoko HVM”

Namelabelatra ny “Fisandratana 2030”, teny Andraharo, ny avy amin’ny HVM sy ireo tanora miara-dia, tamin’ny sabotsy. Nanambara ny fijeriny ny raharaham-pirenena ny mpanorina ny antoko, Rajaonarimampianina Hery. “Tsy misisika hanao tetezamita izahay. Tsy tongatonga ho azy ny resaka. Lalan-kevitra hikaroham-bahaolana izany noho ny fahantrana sy ny ahiahy amin’ny fifidianana”, hoy […]

Niady teo am-pisotroana toaka : Sefo fokontany, maty nifampitolona

Maty teo am-pifampitolomana tamin’ny namany ny lehiben’ny fokontany iray, ny zoma alina lasa teo, tany Evato Farafangana. Niara-nisotro izy mirahalahy. Tampoka nisy ny fifamaliana. Niafara tamin’ny fifampikasihan-tanana, daka sy totohondry, ary fahafatesana izany. Nanatri-maso ny zava-nisy teo amin’izy roa tonta ny fokonolona, araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana. Nisambotra ilay nahafaty ny sefo fokontany […]

Ankazoabo Atsimo : ankizy varira avotra

Avotra soa aman-tsara ny ain’ilay ankizy varira 11 taona nalain’ny dahalo an-keriny, tao Ankazoabo Atsi­mo, niaraka tamin’ny omby. Tafaverina teo anivon’ny ankohonany, afakomaly, izy. Tafaverina amin’ny tompony koa ireo omby nalain’ireo dahalo tao Bealanana, Toliara II, rehefa natao ny fanarahan-dia nandritra ny iray andro. Nisy ny fiaraha-mientana teo amin’ny fokonolona sy ny […]

Herisetra ara-nofo: lehilahy iray tratra nanolana ankizivavy roa

Fanararaotana miharo he­risetra tsotr’izao! Tra-tehaka ny lehilahy iray na­nolana ankizivavy roa izay vao 4 sy 9 taona. Tokony homena ny sazy henjana! Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny sampandraharaham-paritry ny Fila­minam-bahoaka Diana tao Ambodivoanio, ny sabo­tsy teo, ny lehilahy iray voarohirohy ho tompon’antoka tamina fanolanana ankizivavy roa. Tonga na­metraka fitarainana teny amin’ny biraon’ny polisy Ambanja ny raim-pianakaviana iray […]