Notanterahina omaly, ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, nokarakarain’ny Africa Regional Media Hub. Ny mahakasika ny Africa Force Land Summit 2023, AFLS 2023, hotanterahina any Abidjan, Côte d’Ivoire no nampahafantarina nandritra izany. Mpitari-tafika avy amina firenena maro manerana izao tontolo izao, indrindra avy eto Afrika no niatrika izany valan-dresaka izany. […]
Auteur/autrice : Adnews
Fonjan’Ambovombe : gadra folo saika handositra
Voafonja 10 nikasa handositra tao amin’ny fonjan’ Ambovombe, omaly tolakandro. « Efa tafavoaka ny roa tamin’izy ireo », hoy ny fanazavan’ny kapiteny lehiben’ny vondron-tobim-paritra Ambovombe. Nanapoaka basy ireo mpiandry fonja sy ny mpitandro filaminana mifanolo-bodirindrina amin’izy ireo. Vokany, voasambotra ary tafaverina am-ponja ireo roa nikasa handositra. “Niditra an-tsehatra tamin’ny fifehezana io raharaha […]
Fanafihana sinoa : polisy nahatrarana 7 tapitrisa Ar sy firavaka halatra
Voasakan’ny zandary teny amin’ny RN7, polisy iray nahatrarana firavaka halatra sy vola mitetina 7 tapitrisa Ar tao Antsirabe, afakomaly alina. Nitrangana vaky trano nahaverezana vola 30 tapitrisa Ar mahery tao amin’ny tokatranon’ny sinoa mpividy vato anatin’ny fokontany sy kaominina Tanakidy, distrikan’i Vondrozo, ny alahady hifoha ny alatsinainy 8 mey teo […]
Ambohidroa : raim-pianakaviana hita faty natsingevan’ny rano
Maty voajanahary, lehilahy iray natsingevan’ny rano tetsy ambany tetezana Ambohidroa, boriborintany fahenina, omaly. Mpaka trondro sendra nivoy lakana no nahakasika ny vatana mangatsiakan’io maty an-drano io. Hatairana, niantso ireo manodidina avy hatrany izy. Vory lanona tao anatin’ny minitra vitsy ny mponina. Nijery ifotony ny zava-nisy ny polisy avy eo anivon’ny […]
Hetsika “Jaboady” : nitolo-batana tao amin’ny zandary ireo Zazafotsy 33
Nametraka ny fitaovam-piadiany ka nitolo-batana tao amin’ny zandary, afakomaly, ireo Zazafotsy 33. Manoloana ilay raharaha Zazafotsy tao amin’ny kaominina ambanivohitr’Anjiajia sy Manerinerina, distrikan’ Ambatoboeny, nanatanteraka hetsika manokana “Jaboady” ny zandary ao an-toerana mba hamerenana ny fandriampahalemana. Mandritra ny 15 andro ny hanaovana ity hetsika ity, taorian’ny fivoriana niarahana tamin’ny OMC. Nodinihina tamin’izany […]