Auteur/autrice : Adnews

Fandriampahalemana : vonona i Madagasikara

Nandray fitenenana manoloana ireo solontenam-pirenena manatrika ny fihaonambe fahenina ho an’ireo firenena aty amin’ny ranomasimbe Indianina, mivory ao Dakha renivohitr’i Bengladesh, ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotoari­jao­na Josoa, afakomaly. Na­neho ny fahavononany i Mada­gasikara amin’ny fiaraha-miombon’antoka amin’ny fandriampahalemana sy ny fa­hombiazana ho amin’ny ho avy mafy orina amin’ireo […]

Tetikasa “Anjara”-METFP: hanampy ny tanora tsy manana asa

Hitondra vahaolana ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana, manoloana ny olan’ny tanora. Anisan’izany ny fandaharanasa « Anjara », hitondra ny traikefany amin’ny fanofanana. Nambaran’ny minisitry ny Fampianarana tekinika sy ny fanofanana arakasa (METFP), Rahariniri­na Gabriella fa maro ireo tanora sahirana eo amin’ny fidirana amin’ny tsenan’ny asa na nahavita […]

CSS Avaradoha: nahazo fiahiana ireo sahirana

Mahatratra 284.225 ireo sahirana ara-pivelomana no­tsaboina maimaimpoana te­ny amin’ny Centre de soin et de santé (CSS) Avaradoha nan­dritra ny 30 taona, raha ny tatitra voaray omaly. “Tsy misitraka fitsaboana ara-dalàna ny ankamaroan’ny vahoaka malagasy noho ny fahasahiranana mahazo azy”, hoy ny Dr Ran­dri­analison Andrianomentsoa. Ny fahatsapana izany no antony nahatonga […]

Fahasalamana : tsy misy antony mazava ny 95%-n’ny tosidra avo

Nitondra fanazavana ny dokotera Ramiandrisoa Lahatriniavo Ritchy, tamin’ ny fandaharana manokan’ny minisiteran’ny Fahasala­mam-bahoaka mikasika ny fihenjanan’ny lalandra na ny fiakaran’ny tosidra araka ny mahazatra ny maro. Anisan’ny mahafaty olo­na maro rehefa tonga amin’ ny fahasarotana ny fihenjanan’ny lalandra. Mizara roa ny tosidra, ambony (tension arterielle systolique) mihoatra ny 140mmHg sy […]

Toetr’andro : mandindona ilay rivodoza Fabien

Nivoatra be ilay rivodoza Fabien ka lasa «forte tempête tropical modérée», omaly, araka ny nambaran’ny mpamantatra ny toetry ny andro, etsy Ampandrianomby. Mi­zo­tra mianatsimo andrefana ny diany. Tsy mbola ahiana amin’ ny toetr’andro eto Mada­ga­sikara i Fabien. Tombanana tsy dia hihetsika izy hatra­min’ny alakamisy ary heverina hiverina hianatsimo atsi­nanana aorian’izay. […]