Auteur/autrice : Adnews

Vangaindrano : lehilahy voan’ny androbe hita faty

Efa an-taonany nisy aretina “androbe”. Hitan’ny fokonolona faty tao anaty tatatra ny lehilahy iray tao Ankadirano, fokontany Mahavelo, distrikan’i Vangaindrano, ny 6 febroary teo. Niala tao an-tranony handeha hihaza vorona sy haka trondro, tsy hita popoka ity lehilahy ity. Nifampitadiavana, arak’izany, izy saingy tsy nisy nahita ireo manodidina. Ny andron’ny […]

Ambohimahasoa : mpitandrina roa mifampitory

Mipaka hatrany amin’ny fa­ritra ny adin’ny mpitantana fiangonana Jesosy Mamonjy amin’izao fotoana. Ny pasitera ao Ankafina Tsarafidy, dist­ri­kan’Ambohimahasoa indray no nifampitory ny alatsinainy teo. Nivory tsy ara-potoana noho izany ireo mpikambana ao amin’ny OMC ao amin’ny dis­trikan’Ambohimahasoa. Ni­ta­ri­­ka izany ny lehiben’ny distrika ao an-toerana, omaly. No­di­ni­hana nandritra izany, ny fitoriana […]

Ambohimanatrika : roa lahy tratra nifoka rongony teo akaikin’ny EPP

Mirongatra ny fidorohana zava-mahadomelina eny amin’ iny faritra Atsimondrano iny. Voasambotry ny polisy ao amin’ny commissariat central Atsimondrano ny lehilahy roa malaza ratsy amin’ny fidorohana zava-mahadomelina sady manendaka ihany koa. Raha ny tatitra nampitain’ny polisy, naharay fitarainana matetika hatrany ny polisy ao Tanjombato amin’ny afi­tsok’ireo mpidoroka zava-mahadomelina. Mandray zava-mahadomelina avokoa […]

Fandalovan’i Cheneso: nankahery ireo traboina ny minisitry ny Fitsarana

Maro ireo olona traboina mbola tsy tafarina ny fiainany noho ny takaitra navelan’ny rivodoza Cheneso farany teo. Isan’ireo nitondra faisana ta­min’izany ny faritra Atsina­na­na. Manoloana izany indrindra nidina tany amin’iny faritra iny ny minisitry ny Fitsarana, Rakotozafy François, nitondra fanampiana sy nankahery ireo traboina, ny asabotsy teo. Ara­ka ny toromarika […]