Hatramin’izao, iray no nanambara ampahibemaso fa ho kandidà filohan’ny Repoblika. Mifampiandry ireo mpanao politika? Na miandry ny fotoana farany… Mba mivoaka ahay ny tetiandrom-pifidianana. Paipaika sy kajikajy politika avokoa izany. Eo, ohatra, ny manantena ny mety hisian’ny fikaonandoham-pirenena. Mety hanova zavatra betsaka izay? Tsy mitsahatra miketriketrika ny hisian’izany ny sasany. […]
Auteur/autrice : Adnews
Toliara II : lehilahy iray hita faty tapa-doha
Mirongatra ny tsy fandriampahalemana ao Toliara II. Omaly maraina, lehilahy iray no maty tamin’ny fomba feno habibiana tao amin’ny kaominina Ankatsakatsa atsimo, distrika Morombe. Hita faty tapa-doha tsy lavitry ny lisea ao an-toerana izy, nisitrika tao anaty kirihitra ny vata-mangatsiakany. Tsy nisy nahita ny nahafaty azy fa ireo mpianatra hamonjy […]
Mba tia tanindrazana
Vita izay ny fetibe « Barea ». Miverina amin’ny rotorotom-piainana ny vahoaka malagasy. Ady sy tolona ilay vidim-piainana. Efa tafakatra 3500 Ar ny kilaom-bary, voatabia iray aza moa vidiana 500 Ar ! Santionany ireo fa mila mijery akaiky ny zava-misy isika mianakavy. Tsy hiandrasana ny mpitondra fanjakana, izay sahirana amin’ny tontolo politika hatramin’izao. […]
Mihantsy zandary : jiolahy voatifitra tao an-dakazerina
Manafika any an-dakazerina ny jiolahy, ankehitriny. Ny zandary manao fisafoana any ivelany, miaro vahoaka. Ny tokantranony anefa hanaovan-dry zalahy tantely afa-drakotra. Mangarom-biby an-davaka! Rotiky ny balan’ny mpitandro filaminana ny jiolahy namaky tranona zandary iray tao anatin’ny toby “Gallieni” Toamasina, afakomaly. Tany am-panatontosana ny asany, nanao fisafoana, ny mpitandro filaminana iray […]
Fitsenana Barea : mpangarom-paosy dimy lahy tratran’ny polisy
Nahitam-bokany ny ezaka nataon’ny mpitandro filaminana tamin’ny fitandroana ny filaminana nandritra ny lanonana fandraisana ny Barea teny amin’ny Kianjan’ny Barea Mahamasina. Jiolahy mpangarom-paosy dimy tratran’ny polisy tao amin’ny faritry ny Kianjabe. Nifandrimbona tamin’ny fiambenana tao Mahamasina ny hery vonjy taitran’ny polisy (FIP – UIR – SAG) ary ny kaomisarian’ny boriborintany […]