Auteur/autrice : Adnews

Misy fahalovana raiki-tampisaka

Maharitra, lalina, mila hahenika ny maro na ny sehatra sy ny ambaratonga rehetra… Izay ny fahalovana mahazo ny firenena sy iainana isan’andro amin’izao? Efa zary tsy mahataitra ny sasany firy intsony, ohatra, izay hoe tsy fandriampahalemana. Na fanafihan-dahalo io, na halatra taolam-paty, na fakana voamaso, na fanolanana… Toy izany koa, […]

Fahoriam-bahoaka: miantso ny mpitondra ny fivondronamben’ny Eveka

Namoaka fehinkevitry ny fivoriana nataony teny Ambatoroka, ny herinandro teo, ny eo anivon’ny Fivondronamben’ny eveka (Fem). Nafonja ary hentitra ny hafatr’izy ireo tamin’izany. Nahitsy ny hafatra. “Ho anareo mpitondra isan’ambaratongany, henoy ny maharary ny vahoaka eo amin’ny sosialy, ekonomika… ary aza manararaotra ny fahantran’izy ireo. Isika vahoaka, hajao ny fananana […]

Morondava: tra-tehaky ny polisy ireo jiolahy mpamaky trano

Saron’ny polisim-pirenena, ny faran’ny herinandro teo, tao Morondava ireo roa lahy malaza mpamaky trano ao an-toerana. Nisesisesy to­koa ny vaky trano tao amin’ny renivohitry ny faritra Menabe, tao anatin’ny andro maro. Araka izany, nanamafy ny fisafoana sy na­me­traka paikady hanenjehana ireo jiolahy ny polisy. Na­hi­tam-bokany izany ka voasambotra ireo jiolahy […]

Halatr’omby mitam-piadiana : maty ny mpanara-dia iray

Dahalo 12 lahy mitam-pi­a­diana tonga nanafika trano iray tao Ampiakarandava,distrikan’i Manandriana, ny zo­ma hariva teo. Lasan’izy ireo tamin’ izany ireo omby telo tao an-toerana. Nizotra niankandrefana ny dian’ireo dahalo rehefa azony ireo biby, raha ny fampitam-baovao. Niray hina ny fokonolona tao an-tanàna, ka nanara-dia avy hatrany. Nampandrenesina ihany koa ny […]

nalaina an-keriny: avotra izy mianadahy, dahalo iray lavo

Votsotra tany amin’ireo olon-dratsy mpaka an-keriny ireo ankizy mianadahy fito sy folo taona natao takalonaina tao Miandrivazo, iray volana lasa izay. Dahalo iray maty voatifitry ny zandary, iray hafa kosa naratra, saingy mbola tafaporitsaka. Ny alatsinainy lasa teo, tonga tao Belomotsy, faritra manasaraka an’i Manambina sy Ankilizato ireo mpanara-dia omby […]