Auteur/autrice : Adnews

Airtel Africa: Mampiroborobo ny niomerika ny mpanakanto

Misehatra amin’ny fifandraisan-davitra sy ny fifanakalozam-bola amin’ny finday ny orinasa Airtel Africa, amin’ny firenena 14 eto Afrika. Misy ny fiaraha-miasany amin’ny mpanakanto sangany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena mi­isa telo, Fally Ipupa avy any Repoblika demokratika Congo (RDC), Diamond Platnumz (Tanzania) ary Simi (Nizeria), hampiroboroboana ny fampiasana fifandraisan-davitra niomerika, nanomboka ny […]

Tetikasa “Volobe II”: Fanamboaran-dalana ataon’ny CGHV

Mandray anjara amin’ny Andraikitry ny orinasa amin’ny sosialy (RSE) ny tetikasa « Volobe II », ataon’ny orinasa CGHV, hanangana ny toby famokarana herinaratra 120 MW any an-toerana. Voasoritra ao anatin’ny bokin’andraikitry ny orinasa ny fanatanterahana izany, mba hisian’ny fampandrosoana eny amin’ny kaominina iasany. Horaisin’ny orinasa an-tanana ny fanamboarana ny ankamaroan’ny ampahan-dalana ratsy […]

Tsy ampy ny orana: Miverina indray ny delestazy eto Antananarivo

Tsy ampy ny famokarana herinaratra any Andekaleka. Maharitra ora telo ny delestazy isaky ny fahatapahan’ny jiro avy amin’ny orinasa Jirama, nanomboka omaly. Tsy naharitra ela! Andro vitsy monja no nirotsaka ny orana teto Antanana­rivo sy ny manodidina, nahafahana nampandeha amin’ny laoniny ny famatsiana herinaratra tao anatin’ny Tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA). Mihantona […]

TARATRY ny KANTO

Tarika Arangita, etsy amin’ny No Comment Bar Isoraka. Mety ho vaovaobe amin’ny maro ny anaran’ny tarika. Antony iray hampahafantaran’izy ireo ny sanganasany izany, anio manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Mivoy ny mozika folk, miharo nentim-paharazana ry zalahy, izay natao indrindra ho an’ireo mankafy ny mozika miaina. Fampandrosoana ny […]

Tenindreny: Hisy fifaninanana iraisam-pirenena ho an’ny angano

“Andao hanoratra angano amin’ny tenim-pirenena”. Io ny lohahevitra sady anaran’ilay fifaninanana iraisam-pirenena amin’ny fanoratana angano, izay karakarain’ny Organisa­tion international de la Franco­phonie, amin’ny alalan’ny tetikasa “Elan”. Tafiditra anatin’ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny, isaky ny 21 febroary, ny fifaninanana. Misokatra ho an’ireo mpianatra kilasy CE2, CM1ary CM2 izany, […]