Hanomboka anio, any Azerbaidjan, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja baolina kitra ho an’ny sokajy zandriny na “Fifa U15 World Cup” sy ny “Festival 2026”. Anisan’ireo mandray anjara ny Barea. Hifandona voalohany amin’izy ireo, eo amin’ity andro voalohany ity, ry zareo Baku. Lalao roa avy hatrany ny alahady 25 […]
Auteur/autrice : Adnews
K2HB : « Marary ny kitra malagasy »
Nanatontosa valandresaka ho an’ny mpanao gazety, tetsy Antanimena, omaly, ireo mpikambana ao anatin’ny Komity hamerina ny hasin’ny baolina kitra (K2HB). Mbola mahatsapa ity fikambanana ity fa marary ny baolina kitra, amin’izao fotoana izao. Noporofoin’izy ireo tamin’izany ny vokatra ratsy azon’ny ekipam-pirenena Barea nandritra ny lalao fifanintsanana Can farany teo sy […]
SOMBIM-BAOVAO
Hotanterahina ao amin’ny Gymnase Ankoay Ankorondrano, amin’ity faran’ny herinandro ity, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Badminton. Raha ny fanazavana azo avy amin’ny loharanom-baovao iray, ligy roa ihany no nahatonga solontena tamin’ity dia ny avy eto Analamanga sy ny avy any Vakinankaratra. Hotontosaina rahampitso ny andro fahefatra amin’ny fiadiana […]
Rugby – « Amboaran’i Madagasikara » : Hanao valin’ady amin’ny Cosfa ny Uscar
Hifampitaona etsy Andohatapenaka indray ny mpankafy baolina lavalava, rahampitso. Hiady ny amboara lehibe nasionaly ny ekipan’ny Kaominina, Uscar sy ny Cosfa. Hatao amin’io fotoana io koa ny famaranana ho an’ny sokajy vehivavy. Hotanterahina rahampitso, ao amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny lalao famaranana ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja Rugby. Hiady […]
INDRAY MIJERY
Tao anatin’ny herinandro iray, mpianatra miisa 500 no nahazo fanentanana momba ny olana mahakasika ny herisetra an-tsekoly, tamin’ny alalan’ny hetsika notarihin’ny fikambanana “Stop harcèlement scolaire à Madagascar” (SHSM) tao amin’ny distrikan’Avaradrano sy Atsimondrano. Tanjona ny hampahafantatra bebe kokoa momba ity tranga ity sy hampirisihana fitondran-tena feno fanajana eo anivon’ny sekoly. […]





