Auteur/autrice : Adnews

Fomba fanonona : Simbain’ny hira ny teny malagasy

Loza mitatao ho an’ny teny malagasy. Noho ny «fandrosoana», tsy mahay manonona teny malagasy intsony ny Malagasy. Tratran’io ihany koa ny mpihira, indrindra fa ny tanora. Ny «-ntso», ohatra, lasa «-njo». Ny fomba fametrahana ny tsindrim-peo, tsy manaraka intsony ny lamina voajanaharin’ny teny malagasy fa tefitefena sy hamboamboarina mba hampiavaka […]

« Salon du loisir » andiany faharoa : Hahatratra 70 mahery ny kilalao ao anatiny

Sehatra anisan’ny ahitana fialamboly goavana indrindra ny hetsika « Salon du loisir ». Tsy nijanona tamin’ny endriny teo aloha ny andiany faharoa fa nohatsaraina sy nohamaroina ny kilalao ao anatiny. «Hatsaraina ny teo aloha… Hitondra zava-baovao ho an’ny rehetra ity andiany faharoa ity», hoy Rafehivola Finaritra, anisan’ny mpikarakara ilay hetsika lehibe momba […]

FANTINA sy FINTINA

Nirary soa ny minisitry ny Fitsarana, Rakotoman­dimby Benjamin, noho ny taona vaovao ireo mpianatra mpitsara fahiny, andiany fahasivy, nivoaka tao amin’ny ENMG. Nankasitrahin’izy ireo, tamin’izany, ny andraikitra lehibe sahanin’ny minisitra eo amin’ny fanatsarana ny rafi-pitsarana sy ny fampanjakana ny rariny eto amin’ny firenena. Mitohy hatrany ny fivoriana fanomanana ny fihaonana […]

CUA : Miandrandra hahazo ny birao maharitra ny mpanohitra

“Raha ny tokony ho izy, ny mpanohitra no maro anisa toy ny tamin’ny fitondrana teo aloha. Manantena amin’ity fa hitambatra ny mpanohitra ao anatin’ny filankevitry ny Tanà­na”. Io ny fanazavan’ny mpanolotsaina voafidy tamin’ny anaran’ny Tia tanindrazana eo anivon’ny Kolektifa an’ny Ma­lagasy, Ralambomahay Toavi­na, teny Analakely, omaly, ny amin’ny fitantanana an’Antananarivo […]

Mamerin-doha

  Somary nangingina kely ny raharaha politika taorian’ny fivoahan’ny voka-pifidianana izay ho ben’ny Tanàna, manerana an’i Madagasikara. Ny mpitazana ety ivelan’ny fitondrana sy ny heverina ho mpanohitra samy tsy handrenesam-peo. Ny mpanohana sy mpiara-mitantana koa, sahalan’ny nanakombom-bava. Zara raha misy ny minisitra sahy miseho masoandro. Vitsivitsy no sahy manohana ampahibemaso […]