Auteur/autrice : Adnews

Oniversiten’Antananarivo : Heverina ny hisian’ny Fakiolten’ny farmasia

Mikasa ny hanorina fotodrafitrasa vaovao eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo ny fondation Pierre Fabre sy ny fondation Mérieux. Toerana ho an’ny Fakiolten’ny farmasia mahaleo tena fa tsy misy ifandraisany amin’ny Fakiolte mampianatra ho mpitsabo no heverina hatao amin’izany. Mikendry ny hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambony ary manome sehatra ho an’ireo tanora maniry […]

Besarety : Diovina ny tatatra hampihenana ny tondradrano

Lalana be mpampiasa ny eny Besarety. Tsy azo andehanana anefa rehefa avy ny orana satria dibo-drano tanteraka. Diovina ny tatatra eny an-toerana hampihenana izany tondradrano izany. Ifarimbonan’ny BNGRC sy ny Apipa ary ny SMA miaraka amin’ny Kaominina An­tananarivo Renivohitra ny fa­nadiovana ny lakandrano eny Besarety. Atao amin’ny alina ny fanadiovana […]

Tournoi Rugby à VII, sokajy lehilahy: Tompondaka ny Cosfa (Bebaoty)

Tontosa omaly, teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka ny “Tournoi” rugby lalaovina olona 7, lehilahy, karakarain’ny Malagasy Rugby. Voahosotra ho tompondaka ny Cosfa (Bebaoty) rehefa nandresy ny 3FAI/CRAI nitambatra. Lavon’izy ireo, tamin’ny isa mazava, 12 no ho 7, ireto ekipan’Ambalavao Isotry ireto. Hita nanantombo teo amin’ny tanjaka sy ny hakingana ny […]

Hetsika Yoga: Tonga nanatrika ny minisitry ny Fanatanjahantena

Notontosaina teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny tanora Mahamasina, ny sabotsy lasa teo, ny hetsika Yoga voalohany niarahana tamin’ny minisitry ny Fanatan­jahantena sy ny tanora (MJS). Tonga nandray anjara sy niatrika izany, teny an-toerana, ny minisitra, Marson Mous­tapha Abdulah. “Taranja iray manala ny vesatra rehetra niainana rehefa miasa mandritra ny […]