Hindram-bola amin’ny fanjakana malagasy, amin’ny alalan’ny tahirim-bolam-panjakana manokana na “bon de trésors spéciaux” (BTS), ny orinasa Jirama. “Atao izao mba hanajan’ity orinasa ity ny fifanarahana arak’asa ataony miaraka amin’ny Henri Fraise Fils et Cie (HFF) sy handoavany ireo trosany”, araka ny nankatoavan’ny Filankevitry ny minisitra izany fanapahan-kevitra izany, ny alarobia […]
Auteur/autrice : Adnews
Banky foiben’i Madagasikara : hanonta 50 Ariary volamena
Homarihina ny volana jona izao ny faha-50 taonan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Hankalazana izany, tapaka taorian’ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, fa hanonta vola volamena 50 Ar ny banky. “Fomba amam-panao mahazatra eo amin’ny banky foibe sy vondrona mpamoaka vola ny fanontana vola volamena ho fanamarihana ireo tranga manan-tantara […]
Madagasikara-Pakistan : misarika ny mpampiasa vola ny Antenimierandoholona
Nitsidika ny filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana, ny ambasadaoro vaovaon’i Pakistan, Muhammad Arshad Jan, ny alarobia 17 mey teo. Niompana tamin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’i Pakistan sy i Madagasikara ny fihaonana, ary koa ny eo amin’ny Antenimierandoholona malagasy sy pakistaney. Maro ny seha-pihariana noresahana, ka anisan’izany ny lafiny fambolena sy […]
Taranja anglisy : manamafy ny traikefa ireo mpampianatra any atsimo
Manamafy ny traikefany, amin’ny fampianarana ny taranja anglisy eny anivon’ny sekoly, ireo mpampianatra 25 mianadahy ao amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara. Amin’ny alalan’ny American English Training of Trainers (AE TOT) no hahafahan’izy ireo manao izany. Hianatra ny teknika vaovao fampianarana ny taranja anglisy hampiharina any an-dakilasy izy ireo, mandritra ny 4 […]
Hanafatra seringue fanaovana vaksiny ny fanjakana
Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, ny handraisan’ny fanjakana an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana seringue, 0,5ml sy safety box ho an’ny sampandraharaha misahana ny fandaharanasa momba ny vaksiny (Depev), eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ho an’ny taona 2023. Rehefa tsy misy seringue dia tsy misy […]




