Auteur/autrice : Adnews

« Hôtel  Colbert » Antaninarenina : novidin’ny fianakavina Vellutini

Miova mpitantana na­nomboka ny alatsinainy teo ny hôtel Colbert, etsy Anta­nina­re­nina.. Novidin’ny fianakaviana Vellutini, ity trano fandraisam-bahiny iray malaza eto an-drenivohitra ity. Ani­san’ny teratany “Corse”, mpandraharaha malaza eo amin’ny sehatry ny kanto sy ny fialamboly ny fianakaviana Vellutini. Ankehitriny, izy ireo no mandimby ny fianakaviana Léoni, nitantana nandritra ny 50 […]

Tetikasa BATAN: nahazo 9 miliara Ar ny minisiteran’ ny Tontolo iainana

Hampiroborobo ny toekaren’ny mponina sy hanampy amin’ny fiarovana ny ala honko ny tetikasa Batan, hatao ao amin’ny faritra Diana. Mahatratra hatramin’ny 9 miliara Ar ny vola hamatsian’ny Agence française de développement ity tetikasa ity. Notanterahina omaly, teny amin’ny minisiteran’ny Toekare­na sy ny fitantanam-bola ny tetikasa Batan. Tetikasa ha­namafisana ny fiarovana […]

Airtel Madagasikara: niova filamatra vaovao

Mihoatra amin’ny eritreritra, na « au-délà de l’imagination ». Miova ho izany indray ny teny filamatra vaovaon’ny Airtel Madagasi­ka­ra, nanomboka ny alatsinainy 15 mey 2023 teo. Rivo-baovao entin’ny orinasa ho an’ireo mpampiasa ny tambajotra manerana an’i Afrika, indrindra ny tanora. Nilaza ny tale jeneraly (DG) ny Airtel Madagasikara, Eddy Kapuku, fa « fanirianay […]

AFD-MEF: tohana ho an’ny fitantanana tsara ny volam-panjakana

Natao sonia, omaly, ny fifanarahana eo amin’ny Antokon-draharaha frantsay ho an’ny fampandrosoana (AFD) sy ny minisiteran’ny Toekarena sy ny tetibola. Tohana entina hanatsarana ny fandrindrana sy ny fanatanterahana ny tetibolam-panjakana. Taorian’ny tombana ny taona 2013, natao ny taona 2016 ny famolavolana ny drafitrasa hanavaozana ny fitantanana ny volam-panjakana (PSMGFP), mandritra […]

Lycée Rabearivelo sy Ivandry : liana tamin’ny fitaterana an-tariby ireo mpianatra

Nisitraka ny fampahafantarana ny momba ny fitaterana an-tariby na ny téléphérique ny mpianatra tao amin’ny Lycée Rabearivelo sy ny teny Ivandry, ny faran’ny herinandro teo. Izy ireo rahateo no sekoly manakaiky ny pylônes sy ny gara ka mendrika ny hahafantatra ny mikasika ity fitaterana vaovao ity. Nahaliana ireo mpianatra ny […]