Nitondra ny heviny koa ny filohan’ny Antenimierandoholona, manoloana ny raharaham-pirenena. Anisan’izany ny momba ny fifidianana. “Ny fiezahana miatrika fifidianana amim-pahatoniana izao no atao mba hilamina aloha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana. Mba hoeken’ny rehetra izay voka-pifidianana eo. Na inona na inona vokatra eo, tokony hoeken’ny rehetra.” Io ny fanehoan-kevitry ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Vovonana “Tsimatimanota” : “Tsy avela hanjaka eto intsony ny tsimatimanota”, hoy i Paolo
“Noho ny disadisa misy eto Madagasikara, mahatsapa izahay fa potika ny firenena, mahatsapa izahay fa misy ny tsimatimanota. Eo koa ireo mpiaro olon-dratsy mpamotika firenena sy mpamono olona. Noho izany, nanapa-kevitra izahay fa hatsangana ny vovonana miady amin’ny tsimatimanota eto Madagasikara”, hoy ny administratera sivily, Paolo Emilio Raholinarivo Solonavalona, nandritra […]
Mandohalika foana !
Manamarika ny faha-51 taona nisian’ny tolona 13 mey 1972 ny Malagasy, anio. Tolona izay niarahan’ny rehetra nahalala fa niafara tamin’ ny fanonganana ny filoham-pirenena tamin’izany fotoana, Tsiranana Philibert. Tolona nanehoan’ny Malagasy fa vanim-potoana tsy maintsy hijoroan’ny Malagasy amin’ny maha izy azy. Fotoana nandrehitra indray ny fitiavan-tanindrazana taorian’ny nahazoana ny «sarintsarim-pahaleovantena», […]
“Raharaha Raissa ” – Minisitry ny Fitsarana: “Mbola anatin’ny tsiambaratelo ny fanadihadiana”
Tsy mbola nifarana manoloana ny resabe. Nitondra fanazavana indray momba ireo nambaran-dRazaivola Raissa farany teo ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy, omaly, tetsy Anosy. Notsiahiviny tamin’izany, misy efa ela ny departemanta mandray ny fitarainana tahaka ireny eo anivon’ny fitsarana. “Efa misokatra ny fanadihadiana saingy mbola ao anatin’ny tsiambaratelo tanteraka izany. Voafetran’ ny […]
Tafika an-tanety : hisy ny fihaonamben’ ny Tafika Afrikanina
Notanterahina omaly, ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, nokarakarain’ny Africa Regional Media Hub. Ny mahakasika ny Africa Force Land Summit 2023, AFLS 2023, hotanterahina any Abidjan, Côte d’Ivoire no nampahafantarina nandritra izany. Mpitari-tafika avy amina firenena maro manerana izao tontolo izao, indrindra avy eto Afrika no niatrika izany valan-dresaka izany. […]




