Notontosaina teny amin’ny oniversiten’Antananarivo Ankatso, omaly, ny fandaharanasa nokarakarain’ny FES (Friedrich-Ebert-Stiftung). Nahafahana nanao vela-kevitra sy dinika lehibe ho an’ny tanora. Fotoana nahafahan’ny tanora naneho ny heviny mikasika ny zotram-pifidianana sy ny tontolo politika eto Madagasikara. «Efa manomboka liana sy te hisehatra eo amin’ny tontolo politika misy eto Madagasikara ny tanora […]
Auteur/autrice : Adnews
Fiarovana ny sisin-tany sy ny mpandeha : nanamafy fiaraha-miasa ny Tafika Malagasy sy ny APMF
Nanao soniam-piaraha-miasa ny Tafika Malagasy sy ny APMF. Mba hahafahana manatsara ny fitaterana an-dranomasina. Nohamafisina ny fiaraha-miasa eo amin’ny Sampandraharaha miandraikitra ny Seranan-tsambo ary ny fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy (APMF) sy ny Tafika Malagasy. Tontosa, omaly, teny amin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena Ampahibe ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny roa tonta. Miompana amin’ny […]
Fampianarana ambony : afaka mampiato ny fifanarahana ireo mpampianatra «vacataire»
Niato, nanomboka omaly, ny fampianarana ataon’ ny mpampianatra an-tselika eny amin’ny oniversite sy ny IST. Manoloana izany, namaly sy nitondra fanazavana ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika (Mesupres). Namoaka fanambarana ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika (Mesupres), omaly. Manasonia izany ny sekretera jeneraly, Salava Julien. Voalaza […]
Mpiadina BEPC : nisy fizaham-pahasalamana indroa
21 334 ny isan’ny mpiadina hanala BEPC, miatrika taranja adina ara-panatanjahantena eto amin’ny Cisco Antananarivo Renivohitra. Mitotaly 25 001 ny mpiadina rehetra amin’ity taona ity. Iray amin’ny foibem-panadinana ny kianjan’Alarobia, mandray ny mpiadina nanomboka afakomaly hatramin’ny zoma. 4 086 ny mpiadina hiatrika ny fanadinana ao amin’ny lycée Nanisana, CEG Nanisana sy ny CEG […]
Taranja fanatanjahantena : tokony hatrehin’ny mpiadina amin’ny BEPC
“Taninketsan’ny fanatanjahantena avo lenta ny taranja fanatanjahantena any an-dakilasy ka tsy tokony hatao ambanin-javatra”, hoy ny mpampianatra fanatanjahantena eny amin’ny lycée Nanisana, Randrianarivo Falimanana Jacobson, omaly, teny Alarobia. Taranja iray ampianarina any an-tsekoly saingy tsy ampy ny fotodrafitrasa sy ny mpampianatra ary ny fiofanana azon’ny mpanabe. “Manangana sekoly manara-penitra maro […]




