Auteur/autrice : Adnews

Sombim-baovao

Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fifaninanana « sélection régionale », taranja basikety, niarahan’ny ligin’Analamanga sy Vakinankaratra nisalahy. Fifaninanana namaranana ny taona izay natao tany Antsirabe. Anisan’ny nifaninana ny sokajy U12 ka nivoaka ho mpandresy ny Team Analamanga. Nifarana omaly, tany Farafangana, ny hetsika «Agnambahy mifety» izay nahitana fifaninanana ara-panatanjahantena […]

Escrime : Atleta 19 naka traikefa tamin’i Diop Sidy

Ao anatin’ny fampivoarana hatrany ny taranja Escrime sy ny Federasiona malagasin’ny Escrime. Mitohy miaraka amin’ izay koa ny fizaran’ny vahiny manam-pahaizana ny traikefany ho an’ny Malagasy mpi­angaly ity taranja ity. Atleta 19 mandrafitra ny ekipa nasionaly no naka traikefa tamin’ilay manam-pahaizana, i Diop Sidy, nandritra ny 7 andro. Fiofanana niompana […]

«chan 2025»: Resy fa tafakatra ny Barea de Madagascar

Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ireo mpilalao tsy misy mpilaravinahitra, “Chan 2025”, indray ny Barea de Madagascar. Na resin’i Eswatini teo amin’ny lalao miverina aza, nahazo ny tapakila hiatrehina izany i Madagasikara. Taorian’ny taona 2022, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ireo mpilalao tsy misy […]

TARATRY ny KANTO

Fanomezan-danja ny filatroana. Tontosa tany amin’ny zaridaina Manakara be, omaly, ny filatroana nampisehoana ireo akanjo fitafy. Nanomboka tamin’ny 2 ora sy sasany tolakandro ny fotoana, niarahana tamin’ireo mpankafy haitafy maro. Ankoatra ny filatroana, nahitana hetsika ara-kolontsaina maro samihafa ihany koa tany an-toerana, toy ny fampirantiana ireo karazana asa tanana amin’ny […]