Auteur/autrice : Adnews

Valan-javaboahary Ranomafana: May ny velaran-tany manodidina ny 20 ha

Nitrangana fahamaizana goavana tao amin’ny valan-javaboahary (Parc national) Ranomafana, teo amin’ny 3 km atsimo atsinanan’ny tanàn’Ambohitanimena, kaominina Ambalakindresy, distrika Ifanadina. Manodidina ny 20 ha eo ny velaran-tany may, tranga niseho nanomboka ny 26 desambra teo. Tsy fanta-piaviana ny afo saingy nifarimbona namono izany ireo miaramila miisa sivy avy ao amin’ny Détachements […]

Seranana Ivato : Enin-dahy naiditra am-ponja

Mpandika lalàna eny amin’ ny seranam-piaramanidina Ivato, enina mirahalahy naiditra am-ponja taorian’ny fampanoavana, ny zoma 27 de­sambra teo. Mibatabata en­tan’ireo mpandeha eny an-toerana ireto vatan-dehilahy ireto. Tsy vitan’ny maka an-keriny sy tsy misy fierana amin’ ny tompon’entana, simba noho ny tsy fitandreman’ireo lehilahy ireo ny ankamaroan’ny zava-tsarobidy anatin’ny valizy sy […]

Nalaina an-keriny : Zaza 4 taona hita faty

Vatana mangatsiaka an’ilay zaza efa tsy nisy aina intsony, hitan’ny fokonolona tao Beharefo, kaominina Mandrosonoro, distrikan’Ambatofinandrahana, omaly. Nitrangana fakana an-keriny tao amina tanàna iray 5 km miala an’io toerana io, ny alin’ny zoma 27 desambra teo tamin’ny 7 ora sy sasany. Nalain’ny mpaka an-keriny ho takalonaina ny zaza vao efatra […]

Fihaonana Ankazobe : Saika nisy hamaky ny fasan’ ny PDS teo aloha

Nisy namaky ny fasana ilevenan’ny PDSan’Antananarivo teo aloha, Ramanambintana Richard. Teny Tsita­kondaza, kaominina Fihaonana, distrikan’Ankazobe no nisehoan’izany, ny 17 desambra 2024. Tonga nijery izany teny ifotony ny fianakaviana ny 27 desambra 2024 lasa teo. Tokony efa ho 10 andro ma­hery no nahavakisan’ity fasana ilevenan’ny PDS-n’ Antananarivo teo aloha, Rama­nambintana Richard […]