Mitarika, amin’ny fifaninanam-pirenena, eo amin’ny taranja rugby, vehivavy, sokajy D1 ny SCB Besarety. Taorian’ny andro faha-10 natao ny alahady 22 desambra teo, teny amin’ny Kianja Makis, tsy mbola resy mihitsy ry zareo. Nahazo isa 50 ary nahavita «essai» 95. Faharoa ny FTFA, manana isa 35, arahin’ny RCTS amin’ny isa 28. […]
Auteur/autrice : Adnews
Atletisma: Fihaonana iraisam-pirenena 3 ny tanjona
Feno ny fandaharam-potoan’ny Federasiona malagasin’ny atletisma, amin’ny taom-pilalaovana 2025. Raha eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, 3 no ezahina hotanterahina ka anisan’izany ny fiatrehana ny ho tompondaka maneran-tany «sur piste », ho an’ny sokajy Sénior, lahy sy vavy, tanterahina any Tokyo Japon, izay tsy mbola voafaritra ny fotoana hanatontosana azy. Eo koa ny […]
Baolina kitra – Barea de Madagascar : 90 mn hakana tapakila hiatrehana ny «Chan 2025»
Hifantoka amin’ny lalao baolina kitra hifanandrinan’ny Barea de Madagascar sy i Eswatini avokoa ny sain’ny mpitia fanatanjahantena rehetra, amin’ity faran’ny herinandro ity. Ho fantatra eo izay hahazo ny tapakila hiatrehana ny «Chan 2025 », eo amin’ny roa tonta. Hotanterahina rahampitso alahady, ao amin’ny Kianja Côte d’Or ao Maurice, ny lalao miverina […]
VAOVAO TAMBATRA
Midoboka vonjimaika am-ponja eny Tsiafahy avokoa ireo olona voalaza fa saika hanondrana volamena milanja 53,73 kilao teny Ivato taorian’ny niakarany teny amin’ny Pac, afakomaly. Mbola karohina fatratra kosa ilay mpiasam-panjakana voarohirohy ho nanao sonia hosoka ireo taratasy saika hitondrana ireo bolongam-bolamena. Tafakatra 4 000Ar ny kilaon’ny vary makalioka raha manodidina […]
Fandaharanasa Defis : Mandroso ny fanatanterahana fotodrafitrasa
Vita ny 60% ny fanamboaran-dalàna 2km ao Ambaniala, RN12-Tamboro, anatin’ny kaominina Ambila, distrika Manakara, hanamorana ny fivezivezen’ny olona sy ny vokatra any an-toerana. 30 ha monja sisa ny velaran-tany tsara tondraka ka tsy afaka mamokatra ny lemaka noho ny fahasimban’ny «barrage de dérivation» ao amin’ny reniranon’i Manambaroha izay tototry ny […]