Tsy manaiky ny vokatra vonjimaika navoakan’ny Structure provinciale Ad’hoc pour le traitement des résultats des élections communales (Spatrec) ny mponina ao Mitsinjo Betanimena. Voalaza fa samy hafa ny vokatra navoakan’ny SRMV Toliara II, ny 16 desambra 2024 teo, sy ny vokatr’ity rafitra voalaza etsy ambony ity. Araka izany, nirohotra nitokona […]
Auteur/autrice : Adnews
Fanomanana ny fetin’ny Noely: Maro mpividy ny vatomamy eny an-tsena, ho mariky ny hafaliana
Rehefa ankatoky ny fankalazana ny fetin’ny Noely tahaka izao, mahasarika ny ankamaroan’ny olona ny mividy vatomamy sy sokolà. Fomba efa fanao ho mariky ny fifampizarana hamamiana sy hafaliana eo amin’ny isan-tokantrano sy ny isam-piangonana izany amin’ny ankapobeny. Andro iray sisa no isaina dia ho tonga ny fankalazana ny fetin’ny Noely. […]
FANTINA sy FINTINA
Maherin’ny 47% ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy ho an’ny faritanin’Antsiranana, araka ny nambaran’ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama, tamin’ny famoahana ny voka-pifidianana ny sabotsy teo. Nanteriny fa tsy mpifahavalo akory ny kandidà. “Mpifaninana ireo ka ny mandresy tsy hobiana ary ny resy tsy akoraina”, hoy izy. Mitarika vonjimaika ao Mahajanga, araka ny voka-pifidianana […]
Minisitra Mara Volamiranty Donna : « Fanakorontanana ny hoe tsy fahatomombanan’ny fifidianana »
“Fanakorontanana saim-bahoaka sy kajikajy politika diso ny firesahana hoe tsy fahatomombanan’ny fifidianana, fa nizotra araka ny fenitra demokratika izany”. Io ny fanehoan-kevitry ny minisitry ny Sersera sy ny kolontsaina sady mpitondra tenin’ny governamanta, i Mara Volamiranty Donna, tao amin’ny RNM, afakomaly, momba ny namoahan’ny Ceni ny vokatra vonjimaika tamin’ny fifidianana […]
Krismasy !
Mila hifangaro ny hoe krismasy sy krizy mafy amin’izao? Na efa saika zary fomba fitenin’ny sasany ny hoe krismasy ao anaty krizy mafy… Ao anatin’ny fahasahiranana lalina ny maro amin’izao fiatrehana ny fetin’ny Krismasy izao, raha tsy hiteny afa-tsy ny fidangan’ny vidim-piainana, ohatra. Voalohany sy lehibe amin’izany ny vidim-bary. […]