Manoloana ny fiparitahan’ny vaovao diso momba ny voka-pifidianana, mampitandrina ireo minia manao izany ny Emmo/Nat. Miteraka savorovoro sy korontana izany, araka ny nambarany. Ankehitriny, misy minia manaparitaka vaovao diso eny anivon’ny tambajotran-tserasera sosialy momba ny valim-pifidianana, araka ny nambaran’ny komandin’ny Zandarimarim-pirenena, ny jeneraly Rakotomalala Jean Hubert, notronin’ny avy amin’ny Tafika […]
Auteur/autrice : Adnews
TSELATRA
Lehilahy nanolan-jaza tsy ampy taona nalefa eny Tsiafahy ary lehilahy iray hafa mpanolana olona mitovy fananahana aminy notanana eny Anjanamasina, ny 20 desambra teo. Niara-voasambotry ny zandary tao Ambohimangakely izy roa lahy. Zazalahy 4 taona nampiharan’ny iray ny filan-dratsiny. Tratra io nahavanon-doza io ka nitoroka ny namany izay voalaza fa […]
Hita tao anaty lavaka : Mpivady mpangalatra taolam-paty tratra
Voasambotry ny zandary tao Antsahananamirongo, vakim-paritra Ankaramy anivo, fokontany Antsahampano, kaominina ambanivohitra Nosibe, distrikan’i Vohémar, ny sabotsy teo, ireo mpivady mpanao trafikana taolam-paty. Nahazo fampitam-baovao mialoha ny zandary momba ny fisiana taolam-paty hita ao anaty lavaka. Tsy fantatra izay tompon’antoka tamin’io halatra taolam-paty io. Tonga haingana teny an-toerana ny zandary […]
Soamanandrariny: Mpangalatra moto voasambotra
Fisolokiana hafa koa! Lasan’ny olon-dratsy ny moto marika Kymco G5 teny Mandrosoa Ivato, ny 20 desambra teo. Nitondra moto scooter jog 90, mody nanakan-dalana io olon-dratsy io. Nandalo ny mpitondra ilay kymco ka nosakanany. Nampiresahin’io mpisoloky io, nilaza ho misedra olana izy. Napetrany tamin’ ny sisin-dalana, araka izany, ny moto […]
SOMBIM-BAOVAO
Nanainga ny sabotsy teo, teny Ivato, hihazo ny nosy rahavavy Seychelles, i Elisco, Malagasy mpilalao baolina kitra. Araka ny fikarohana natao, hifindra ao amin’ny klioban’ny Light Star ny tenany. Tsiahivina fa efa nandalo klioba maro teto an-toerana ny lehilahy, anisan’izany ny Elgeco Plus, ny Jet Kintana sy ny Five FC […]