Auteur/autrice : Adnews

Gymnastique rythmique : Mizara traikefa eto i Isabelle de Cossio

Mpanazatra malagasy 10 mianadahy no miatrika fiofanana eo amin’ny taranja “Gy­mnastique rythmique”, eny amin’ny Kianja mitafon’i Maha­masina, nanomboka ny alakamisy 19 febroary lasa teo hatramin’ny alahady 22 febro­ary izao. Ny manam-pahaizana avy amin’ny federasionina iraisam-pirenena ny “gymnastique”, i Isabelle de Cossio no mizara ny traikefany, izay efa fanintelony izao izy […]

Pureplay Football League : Hitazona ny toerany ny Disciples FC sy ny Cosfa

Hotontosaina ny faran’ny herinandro ho avy io ny andro fahafito amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra “Pureplay Football League (PFL)”. Hanamafy ny toerana amin’ny maha voalohany azy, amin’ny faran’ny herinandro, ny Disciples FC Vakinankaratra, manana isa 18, mifaninana ao amin’ny Kaonferansy Atsimo sy ny Cosfa miaramila, mitana […]

SOMBIM-BAOVAO

Raha tsy misy ny fiovana farany, hotanterahina anio, ny valandresaka amin’ny mpanao gazety izay hiarahana amin’ny mpanazatra, Corentin Martins. Hire­saka mahakasika sy ny vaovao maro kokoa momba ny fitantanana ny ekipam-pirenena Barean’i Madagasikara ny tenany. Eo ihany koa no hamantarana ny anaran’ ilay firenena roa hanao lalao ara-pirahalahiana amin’ny ekipa […]

INDRAY MIJERY

Anisan’ireo toerana nitondra faisana ary nahitana fahavoazana vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Gezani ny mponina ao amin’ny kaominin’i Didy, faritra Alaotra Mangoro. Nisy ny fahasimbana nahazo ny mponina ka nitaky fandraisana andraikitra haingana ho fanohanana azy ireo. Nanatanteraka fizarana fanampiana ara-tsakafo ny BNGRC ho an’ireo tokantrano. Eo koa ny fanohizan’izy ireo […]