Tsy nitsanga-menatra ny ekipam-pirenena malagasy nandritra ny fifaninanana “Masters 2024”, dingana voalohany izay natao tany France. Resin’ny mpilalao voafantin’ny mpampiantrano, 13 no ho 1 izy ireo, nandritra ny manasa-dalana. Notanterahina, omaly, tany Saint Gilles Croix France, ny fifanintsanana “Masters 2024”, dingana voalohany, taranja tsipy kanetibe. Raraka teo amin’ny lalao manasa-dalana […]
Auteur/autrice : Adnews
Sombim-baovao
Tsy nahazo medaly ny Malagasy atleta mianadahy, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja tolona ambony torapasika «Beach Wrestling», izay natao tany Sénégal, ny faran’ny herinandro lasa teo. Tsara marihina anefa fa samy nandresy am-boalohany avokoa izy ireo. Hahemotra ny volana jolay ho avy izao, ny manasa-dalan’ny fiadiana ny […]
Taranja bisikileta – « Ocean Indien 2024 »: “Vonona tanteraka aho” hoy i Mohamed Houlder
Tonga ity ny fotoana ho an’ny Malagasy mpankafy ny taranja bisikileta. Hiatrika ny fifaninanana aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina i Madagasikara, ny 29 jona hatramin’ny 3 jolay ho avy izao. Hotanterahina any Maurice, manomboka rahampitso hatramin’ny 3 jolay ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina, taranja […]
Fantina sy fintina
Nomem-boninahitra farany tetsy amin’ny fitsarana Tampony Anosy, omaly ny nofo mangatsiakan-dRakotondravo Henri Solo. Tonia mpampanoa ambony tao amin’ny fitsarana ambony ao Mahajanga izy ary nodimandry ny 05 jona teo. Nanao ny adidiny tamin’izany ireo eo anivon’ny fianakaviamben’ny fitsarana. Nitarika izany ny minisitry ny Fitsarana. Tomponandraikitra eo anivon’ny kaominina miisa 18 […]
Adidy fa tsy seza
Vita izy izay! Nilamina ny zava-drehetra. Misokatra ho an’ny solombavambahoaka vaovao ny Lapa eny Tsimbazaza. Nivoaka ny didy tsy azo ivalozana. Tsy misy intsony ny fampiakarana raharaham-pitsarana na aiza na aiza. Izay te hiady amin’ny resaka ady heloka bevava sisa no afaka manenjika ny kandidà nifaninana, noho ny fandikan-dalàna hafa. […]