Naiditra eny amin’ny fonjan’Antanimora ilay lehilahy sy ny sakaizany rehefa nangalatra telefaonina an’ny mpanala fanadinana tao amin’ny sekoly St Michel Itaosy, omaly. Ankizy nanao fanadinana fanatanjahantena bakalorea no tompon’ny entana nangalarin’izy roa ireo, ny alatsinainy 17 jona teo. Olona roa voasambotra hatreto momba ny fahitana ny fatin’ny mpitsara iray misahana […]
Auteur/autrice : Adnews
Distrikan’Andilamena : dahalo mpaka an-keriny maty voatifitra
Lavon’ny balan’ny zandary i Gadoko, dahalo raindahiny amin’ny fakana an-keriny sy fanafihana mitam-piadiana ao Bemaitso, fokontany Ambatolampy, distrika Andilamena, ny alin’ny alarobia hifoha omaly alakamisy. Nokarohina hatry ny ela, naharay loharanom-baovao ny zandary miasa ao an-toerana fa mihaodihaody tsy lavitra ny distrika io dahalo io sy ny mpiara-manao asa ratsy […]
Toamasina: nidiran’ny jiolahy ny tranon’ny filohan’ny AJT
Nidiran’ny roa lahy antsokosoko ny trano fonenan’ny filohan’ny Fikambanana mpanao gazety ao Toamasina (AJT), tao amin’ny fokontany Analakininina, Hopitaly Be, parisela 12/21-22, ny alin’ny talata hifoha ny alarobia 19 jona teo. Namita iraka ivelan’i Toamasina ny filohan’ny fikambanana ka tsy tao an-tranony. Finday maromaro an’ny vady aman-janak’ilay mpanao gazety lasibatra sy […]
Latsaka tanaty lavaka : zandary maty, ilay zaza avotra!
Nitady toerana avo hiantsoana amin’ny finday, nilatsaka tampoka tao anaty lavaka ny zandary mpiana-draharaha, tao Ankazobe. Namoy ny ainy izy. Maty tampoka rehefa nilatsaka tsinahy tao anaty lavaka ny zandary mpiana-draharaha iray, omaly. Tao amin’ny fokontany Ambohimanarina, kaominina ambanivohitra Ambolotarakely, distrikan’Ankazobe no nisehoan’izany. Nalefan’ny lehibeny nanao fisafoana teny amin’io fokontany […]